Tranga
Trafikana zava-mahadomelina “Heroine” mitentina 5 880 000 Ar tratra teo Anosy
24/10/2019
Toeram-pivarotana zava-mahadomelina telo no saron’ny polisy. Rehefa nosavaina ny lehilahy 36 taona, teo Anosy, nahitan’ny mpitandro filaminana “Heroine”
milanja 49 grama tany aminy. Niaiky ny helony izy nandritra ny famotoran’ny polisy ary nilaza izy fa 120.000 ariary no fivarotany ny 1 grama. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny alatsinainy 21 oktobra teo tamin’ny 12 ora sy 30 tetsy Anosy izy io . Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahalalana fa misy lehilahy mivarotra “Heroine”. Natao ny vela-pandrika hisamborana ity lehilahy ity. Nomena fotoana teo Anosy izy ary vao tonga teo amin’ilay fotoana nifanomezana dia noraisim-potsiny. Fantatra moa fa ny akon’itony zava-mahadomelina mahery vaika itony dia ny tsy fandriampahalemana. Saingy mafy vava ireo tra-tehaka ka tsy hita hatrany ny tompon’ny atidoaha sady loharanon’ny «heroïne». Miandrandra fampitam-baovao hatrany ny mpitandro filaminana ho soa ho an’ny mpiray tanindrazana.
Haja Nirina