Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antananarivo Renivohitra Tsy ara-dalàna ny antsasak’ireo fiara sy moto

24/10/2019

Nandritra ny hetsika « Aro loza » ny 4 hatramin’ny 10 oktobra lasa teo,

 

 

 

fiara miisa 2 684 no nosavaina, ka ny 1 195 amin’ireo no tsy ara-dalàna. Môtô mitotaly 4 201 ihany koa no voasakana ka ny 2 321 amin’ireo dia tsy ara-dalàna avokoa. Ny tsy fanarahan-dalàna mateti-pitranga indrindra dia ny tsy fanaovana aroloha, ny tsy fahampian’ny taratasina fiara na moto, ny fisiana hosoka amin’ny taratasin’ny moto, ny taingin-telo, ary ny tsy fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny. Hetsika niarahana tamin’ny Fiarahamonim-pirenena, ny Brigade des Accidents, ny avy eo anivon’ny fitsirihana teknika sy ny fiantohana, ary ny avy eo anivon’ny Inspection Générale de la Police Nationale iny “Aro loza” iny. Fampanarahan-dalàna ny mpampiasa lalana araka izany no anton’ny fanakanana sy fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny moto ary koa nisy ny fepetra noraisina ho an’ireo izay tsy nanara-dalàna. Tsy nisy kosa anefa ny sazy ara-bola, fa fampianarana sy fanentanana no natao. Noho ny fahitana ireo salan’isa  445 an’ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra nandritra ny 9 volana voalohany ny 2019 no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny polisy hanatanteraka ny hetsika.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana