Dans la męme rubrique

Morarano Gara “Atao tsara tantana ny vola avy amin’ny orinasa Ambatovy”

18/11/2019

Ny taona 2018 teo dia nahazo vola 2 500 tapitrisa ariary tamin’ny orinasa Ambatovy ny kaominina Morarano Gara ary miampy isan-taona io hatramin’ny 2040. T

Morarano Gara “Atao tsara tantana ny vola avy amin’ny orinasa Ambatovy”

Hamaky ny tohiny...

Morarano Gara “Atao tsara tantana ny vola avy amin’ny orinasa Ambatovy”

18/11/2019

Ny taona 2018 teo dia nahazo vola 2 500 tapitrisa ariary tamin’ny orinasa Ambatovy ny kaominina Morarano Gara ary miampy isan-taona io hatramin’ny 2040. T

Morarano Gara “Atao tsara tantana ny vola avy amin’ny orinasa Ambatovy”

Hamaky ny tohiny...

Akora fanamboarana savony Hakarina 100% ny hetra alaina aminy

18/11/2019

Anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2020 (PLF 2020),

Akora fanamboarana savony Hakarina 100% ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana ana habakabaka Maro loatra ny lesoka

15/11/2019

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Zone Forello Tanjombato ary haharitra 4 andro ny fampirantiana iraisampirenena andiany voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany (salon international des transports, des Logistiques et de la manutention).

Fitaterana ana habakabaka Maro loatra ny lesoka

Hamaky ny tohiny...

Fananan-tany Miroso amin`ny fanovam-penitra

14/11/2019

Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara.

Fananan-tany Miroso amin`ny fanovam-penitra

Hamaky ny tohiny...

Vahaolana maimaika Hividy solika mivantana ny Jirama

14/11/2019

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra notanterahana teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly fa omena alalana vonjy maika mandritra ny 3 volana ny fividianana solika anivon’ny Jirama handefa ho an’ireo toeram-pamokarana Jiro.

Vahaolana maimaika Hividy solika mivantana ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Doro tanety etsy sy eroa Ireo mpitsoa-ponenana sy ny tevy ala no fositra

13/11/2019

Mirongatra ny doro tanety manerana ny faritra amin’izao ary saika potika avokoa ny harena ambanin’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Alexandre Georget fa noho ny fisian’ireo olona

Doro tanety etsy sy eroa Ireo mpitsoa-ponenana sy ny tevy ala no fositra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Famatsiana solika nikorontana Nosaziana ny LPSA, Total ary ny Shell

29/10/2019

Miakatra amina antanantohatra hafa mihitsy ny krizin-tsolika ankehitriny.

 

 

 

 Nanamafy indray mantsy ny minisitera tompon’andraikitra sy ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo na ny OMH omaly fa mahasahana ny filan’ny mponina tsara ny tahirin-tsolika amin’izao fotoana izao. Fepetra noraisin’ny fanjakana niarahana tamin’ireo mpandraharaha ny solika eto Madagasikara, hoy izy ny tsy maintsy hampiharana ny fampakarana ny tahirin-tsolika ho 21 andro, izay tsy nihatra hatramin’izay na dia efa tafiditra tao anaty bokin’andraikitra aza. Eo ihany koa ny fitaterana ny solika sy ny fampitomboana ny sambo mpitatitra solika amin’ireo sisin-tanin’i Madagasikara izay atao ho vaindohan-draharaha araka ny fanazavana hatrany. Nisy ny fanadihadiana lalina natao koa dia tsikaritra ny tandrevaka ary nilatsaka avy hatrany ny sazy : mandoa lamandy 120 tapitrisa Ariary  ny logistique pétrolière LPSA, 60 tapitrisa Ariary avy ny an’ny Total sy Shell. Mitotaly 240 tapitrisa Ariary ny  vola lamandy  ho an’ny fanjakana noho ny fahadisoana izay nataon’ireto kaompanian-tsolika sy ny LPSA raha ny tatitra. Anisan’ny tena nahitana lesoka be ny teo anivon’ny LPSA sy ireo kaompanian-tsolika 2 ireo nandritra iny herinandro nampikorontana ny famatsiana solika iny raha ny nambaran’ny minisitra Vonjy Andriamanga, ary rariny izao fandraisana  fepetra izao.

Ahoana ny tohiny ?

Ny nahagaga dia omaly alatsinainy vao namoaka io fanapahan-kevitra io ny fitondram-panjakana, kanefa ny zoma hariva dia efa nanambara fa nisy tokoa ny fahadisoana teo amin’ireo mpandraharaha ny solika, izay nihaona tamin’ny filoham-pirenena. Nahoana no tsy tonga dia navoaka tamin’iny zoma hariva iny ny fepetra sy sazy fa niandry alatsinainy ? Ary raha izay tokoa ny fanapahan-kevitra, moa va manana vahaolana mahomby tokoa ny fitondram-panjakana fa tsy sanatria mbola hiverina indray ny olana amin’ny fitsinjarana ny solika any amin’ny tobin-dasantsy ? Azo antoka mantsy fa tsy hipetra-potsiny ireo orinasa voasazy ireo (LPSA, Total, Shell) ; ka mampanahy ny hoe hisy fiantraikany lalina any amin’ny fiainam-bahoaka ny adivarotra avo lenta eo amin’izy ireo sy ny fitondram-panjakana. Tantara mitohy !

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana