Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

AFRIKANINA MPIVAROTRA RONGONY

29/10/2019

Teratany afrikana roa no nosamborina tetsy Faravohitra noho ny fanaovana trafikan-drongony avo lenta na « drogues dures ».

 

 


 Nisy vehivavy malagasy roa izay niaraka tamin’izy ireo ary nosamborina ihany koa. Tao anaty hotely ireto olona ireto no nosamborina ary mbola nahitàna cocaine niaraka tamin’izy ireo. Misy eto amintsika ny fivarotana ity karazan-drongony izay mampigadra mandram-pahafaty ny fidorohana azy any amin’ny firenena sasany izay sarotiny amin’io toa ny nosy Maorisy.


MPILOKA AN-DALAMBE NOSAMBORINA

Raikitra ny fisamborana faobe tetsy Isotry. Olona 19 no indray nalain’ny polisy ary nanokafana fanadihadiana tao amin’ny kaomisaria noho ny filokàna an-dalambe. Navotsotra ihany anefa rehefa avy nanaovana fanabeazana izy ireo toa ny hoe tena mampigadra ny filokàna an-dalambe. Nojerena tsirairay koa ny taratasin’ireo sao mba misy efa karohina na koa efa jiolahy ikoizana. Ny olona teo an-tanàna ihany no nanaitra ny sain’ny polisy satria manakorotana ireo mpiloka isan’andro ary koa miteraka tsy fandriam-pahalemana ny fisian’izy ireo.

HITOHY NY HAFANANA

Hitohy mandritry ny roa andro ny hafanana be eto an-drenivohitra sy eto amin’ny faritra sasany eto amin’ny nosy. Izay no vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Efa tafiakatra 33 dégré celcius ny teto Antananarivo omaly ka nampikaikaika ny olona. Mbola mety hiakatra izany mari-pàna izany ao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny tao anaty fiara, indrindra ny fiara iombonana dia tena sempotra tanteraka ny olona satria tafiakatra hatrany amin’ny 40 dégré ny hafanana kanefa mbola mihipoka ihany.


 

 

 

 

MIKOROTAN-TSAINA NY AO ANTSIRABE II

Mikorontan-tsaina ny mponina ao ambanivohitr’Antsirabe II noho ny fisian’ny fatin’olona iray izay hita ary efa taolana sisa. Vao haingana anefa izy no niala tao an-tranony ary dia io hita faty efa taolana tanteraka io sisa, toa ireny nesorina ireny mihitsy ny nofony raha araka ny fitantaran’ny mponina. Ny feo mandeha dia ny fisian’ny biby hafahafa izay mihinan’olona, tsaho izay mandeha haingana toa ny any amin’ny tontolo ambanivohitra rehetra ihany. Misy koa anefa ny manahy sao mba nangalàna taova ity lehilahy hita faty ity.

MPIGAFY ENY AMIN’NY DIGY

Misy andian’olona izay mandeha moto ka migafy mpandeha fiara indray eny amin’iny route digue iny rehefa alina. Efa misy fitoriana mipetraka ankehitriny eny anivon’ny polisy etsy Tsaralalàna, soa rahateo fa azon’ny mpitory avokoa ny sarin’ireo tanora izay nanakantsakana azy teny an-dàlana. Raha ny fihevitry ny mpitory dia ny haka ny fiara no tena tanjon’ireo olona ireo. Efa voadaroka hatramin’ny mpamily mantsy kanefa soa ihany fa mbola nahavita nitsoaka tamin’ny fiara io farany. Mila jeren’ny polisy akaiky ireto andian’olona hafahafa ireto.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana