Dans la mme rubrique

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

18/11/2019

Teo am-panaovana biriky no nilatsaham-potaka ny raim-pianakaviana iray ka maty tsy tra-drano, tao Didy Ambatondrazaka.

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Asan-jiolahy teny Ankatso Azo sambo-belona ny 9, voatifitra i Kôma

29/10/2019

Taorian’ireo 9 lahy voasambotra ny faran’ny herinandro teo, dia lavon’ny BC4 teny amin’ny faritra Mausolée iny i Kôma izay

 

lohan’izy ireto amin’ity fikambana-jiolahy ity izay anisan’ny tompon’antoka amin’ny vaky trano, fanafihana mitam-piadiana, asa fanendahana miafara hatramin’ny vono olona, toy ny vola septambra lasa teo rehefa novelesin’ireto jiolahy ireto tamin’ny «bois rond» ny raim-pianakaviana iray izay maty sy ny vadiny mpivarotra anana teny Tsiadana. Nahatrarana rongony milanja 13 kilao koa tamin’izy ireo.

Ren’ny polisy fa nihaodihaody tamin’ny faritra Mausolée sy Ankatso ry Kôma. Raha hisambotra ireo polisy dia nitifitra ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fampiasan-kery, afak’omaly tamin’ny 8 ora alina. Lavo nandritra ny fitifirana i « Kôma » raha toa kosa ka tafaporitsaka ireo namany roalahy. Mbola tratra teny aminy ny basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala ary antsy lava lela iray.

I Kôma dia naman’i Tsôla raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana izay efa any Tsiafahy. Anisan’ny tompon’antoka amin’ny fanendahana ireo mpianatra miditra vao maraina eny Ankatso izy ireo sy ny namany iray izay antsoina hoe «Belônne» efa any Tsiafahy. Fantatra koa fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana ny «Super-maki» Antsahameva izy ireo. Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ireo namany hafa izay tafatsoaka.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana