Dans la męme rubrique

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa TanĂ -masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Sprinter nivadika tao Ankazobe 3 no maty, 12 naratra

30/10/2019

Olona 3 no namoy ny ainy, ka zaza mianadahy manodidina ny 10 taona ny roa no maty ary iray kosa lehilahy manodidina ny 30 taona.

 

 

 

Sprinter iray avy any Bealalana hitodi-doha aty Antananarivo, no vaky kodiarana, ka nampivadika ilay sprinter. Tao amin’ny vaki-paritra Tobinjanahary, kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe, faritra Analamanga, amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny no nitrangan’ny loza, omaly talata vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Manodidina ny 12 kosa ireo naratra izay efa nentina namonjy ny hopitaly tao Mahitsy sy tao Ankazobe. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia naharay antso ny zandarimaria avy ao amin’io Tobinjanahary io, ka namonjy teny an-toerana. Tsy tratra tao an-toerana intsony ny mpamilin’ilay taksiborosy sprinter, hoy ny zandary, fa vaky nandositra ary anisan’ny nety ho naratra vokatr’io loza io ihany koa. Tonga nankahery ireo naratra tao amin’ny hopitaly notsidihany moa ny depiote voafidy tany an-toerana, niaraka tamin’ny ben’ny tanàna sy ny tompon’andraiki-panjakana. Efa nanokatra ny fanadihadiana mikasika ity loza nahafatesana olona ity, ny zandarimaria avy ao Ankazobe.

 

Sitraka r.  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana