Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Minisitry ny atitany “Mampitaraina vahoaka ny sefo fokontany sasany”

31/10/2019

Fokontany, distrika, kaominina miainga amin`ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no hamaritana ny tena fampandrosoana marina tiana apetraka eto amin`ny firenena.

 

 

Hatramin`izay, zary sakana hatrany ny tsy fahaiza-manao asehon`ny mpitantana isan-tokony ka mampitaraina ny vahoaka entina. Ny zava-misy eto Madagasikara, dia saika ny lasitra eny anivon`ny fokontany mihitsy no hiaingan`ny  sakana rehetra. Manamarina izany fa andry iankinan`ny fampandehanan-draharaha goavana ny eny anivon`ny fokontany. Ity farany no mandray andraikitra lehibe ohatra amin’ny fikarakarana mivantana ny fifidianana. Ny fahatsapana ireo sakana lehibe no nandraisan`ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra hanalana an`ireo fokontany hita fa tsy mahomby amin`ny asa izay iandraiketany. Tsy maintsy jerena manokana ny sakana tsy mitondra fampandrosoana  eny amin`ireny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny, hoy i Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Misy ireo sefom-pokontany efa am-polony taona no tao kanefa maro ny vahoaka eny ifotony no mitaraina fa tsy misy zava-bita. Isika anefa tsy maintsy miroso amin`ny fampandrosoana maharitra miainga eny fotony. Notsipihany manokana kosa fa tsy misy ambadika politika raha izany foana no nambaran` ny sasany. Raha hanao zavatra ve dia hisy ambadika politika foana? Ny vahoaka dia tsy afaka miandry satria tara ny fampandrosoana eto Madagasikara. 59 taona isika tao anaty fahaleovantena izany noho ny tsy fisian`ny fahasahiana  fa miroso foana amin` ny fanilihana andraikitra, hoy hatrany ity ministra ity. Noho izany, hiziriziry amin`ny firosoana amin`ny fanapahan-kevitra ny fitondrana kanefa ny voalazan`ny didim-panjakana lah. 2009-999  tamin`ny 02 jolay 2009 dia fidiana ny filoham-pokontany.

 

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana