Dans la mme rubrique

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana faobe Voambolana diso

13/11/2019

Tsy misy ny fitsarana faobe na « audience forraine », hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara, Clément Jaona.

Fitsarana faobe Voambolana diso

Hamaky ny tohiny...

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mialoha ny Tana-masoandro sy ny tariny “Jereo aloha ny sosialim-bahoaka !”

04/11/2019

Mankahery ny vahoaka Malagasy isika manoloana ireo zava-miseho eto amin’ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny antokom-bahoaka Malagasy na Aba, Dany Rakotoson.

 

 

Tokony handray andraikitra haingana ny fitondram-panjakana satria na manana tetikasa maro aza isika dia tsy afaka ny handroso raha tsy milamina ny zava-misy ankehitriny. Mialoha ny Tana-masoandro sy ny tariny dia jereo aloha ny sosialim-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavany. Voalamina tsara ny olan’ny anjerimanontolo, ny olan’ny solika, tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro, ny olan’ny rano, ny ankapoben’ny vahoaka, hoy izy, vao tokony hiroso amin’ireo tetikasa vaovao. Mila tadiavina ny politika tsara mikasika ny sosialim-bahoaka sy ny fandriampahalemana satria ny fikorontanan’ny saim-bahoaka dia anisan’ny hisatra amin’ny fampandrosoana.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana