Dans la mme rubrique

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

12/11/2019

Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

Hamaky ny tohiny...

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”

12/11/2019

Tsy mba misora-tena toa voatango na midera tena toa papelika ny kandida Herinaivo Ravaojanahary, raha eo amin’ny lafiny asa fampandrosoana ny tanàna no resahina.

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”

Hamaky ny tohiny...

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra

12/11/2019

Ho vita tanteraka anio 12 novambra ny fanotana ireo bileta tokana ilaina sy ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina izay atao ny 27 novambra ho avy izao,

Fanotana ireo bileta tokana Ho vita anio 12 novambra

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina

12/11/2019

Sefo fokontany miisa 13 amin’ireo fokontany miisa 44 mandrafitra ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra no nesorina sy nosoloina tamin’ny toerany ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…

12/11/2019

Mihazakazaka amin’ny fampanantenana hatrany ny filoha Andry Rajoelina, saingy tsy arakarak’izay ny zava-misy.

Andry Rajoelina Tsy arakaraky ny kabary ny asa…

Hamaky ny tohiny...

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

12/11/2019

Anisan`ireo kandidà ben`ny tanàna tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, mitondra ny lah. faha-06 ao amin`ny kaominina Ankadimanga.

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao “Mila mihaino ny feon` ny vahoaka ny mpitondra”

04/11/2019

Iaraha mahalala ny fahasahiranana ny vahoaka amin` ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Tsy hianona fotsiny amin` ny fidradradradrana hoe mivelona amin` ny fambolena sy ny fiompiana ny 80%-n` ny Malagasy satria tsy mahavelona izany.

 

 

 

 Tsy afaka mamokatra ho an` ny vahoaka manontolo izy ireo. Laharam-pahamena tokoa ny fiezahana hahamatihanina kokoa ny tantsaha eo amin` ny sehatry ny fambolena hahatongavana eo amin` ny fahaleovantena ara-tsakafo. Noho izany, mila politika matotra amin` ny fivelarana ireo tanim-bary sy tanim-pambolena eto amintsika. Manamafy izany ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, saingy nilaza kosa izy fa tsy maintsy miaro ny Malagasy  koa ny fitondram-panjakana manoloana ireo orinasa lehibe hanaovana fotodrafitrasa izay mety ilaina. Tokony mijery fandanjalanjàna amin` ny fiarovana ny tantsaha sy ny hahahafahana manao fampandrosoana isiska, hoy izy. Eo amin` ny sehatry ny fananan-tany ihany koa dia fanamby iray tsy maintsy apetraka  mba hahafahan’ny tantsaha mamelo-tena sy manao ny asany am-pitoniana fa tsy hitaintain-dava, hoy izy. Raha tiana ho tratra izany fanamby izany dia mila mihaino ny feon` ny vahoaka ny mpitondra, hoy i Rivo Rakotovao. Marihana moa fa nanatrika ny seminera niarahan’ny Fikambanan’ny Antenimierandoholona mivondrona ao anatin’ny Association des Sénats, Shoora et Conseils Equivalents d’Afrique et du Monde Arabe (ASSECAA) tany Rabbat – Maraoka ity filohan` ny andrim-panjakana ity. Nanambara moa ny Filoha Rivo Rakotovao raha nanontanian’ny mpanao gazety Marokanina fa mila ny finiavan’ny rehetra ny fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Niompana tamin’ny lohahevitra : “Les Parlements et les défis de la sécurité alimentaire” moa izany fihaonambe izany izay nifarana ny 01 novambra lasa teo.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana