Dans la mme rubrique

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana RN2 Teratany Srilankey 3 maty dobo-drano

04/11/2019

Maty tra-drano teo noho eo ireo teratany Srilankey miiisa telo. Nivarina tany anaty hantasana misy rano ny fiara marika “Sorento” izay 39 km afaka an’i Manjakandrina, efa manakaiky iny faritra Anjiro iny.

 

 

 

 

 Raha ny fanadihadiana lalina sy ny angom-baovao eo am-pelatan’ny mpitandro filamin’ny

borigadin’ny zandariamariam-pirenena miasa ao Anjiro sy ny fiheveran’ireo mponina any an-toerana

ary ireo mpampiasa lalana, vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Heverina fa tsy

nahafe ny lalana ireo teratany vahiny ireo tamin’ny fiolahana izay notatazan’io hantsana misy rano io

ka torana noho ny dona sy ratra nanjo azy ireo nefa dibo-drano ihany koa. Tamin’ny 7 ora marain’ny sabotsy teo no nitranga ny loza, arak any fampitam-baovaon’ny zandarin’Anjiro hatrany. Avy aty an-drenivohitra ihazo an’ny Toamasina izy ireo no tra-doza teo amin’ny toerana antsoina hoe : “Ankotrokotroka”, fokontany Ambodinifody, kaominina Anosibenifody, distrika Moramanga. Voalazan’ireo mpampiasa lalana fa mitaky hafainganam-pandeha mora io fiolahana io. Maro loatra ny lozam-pifamoivoizana tato ato. Manentana hatrany nym fanajana ny tondro-zotra eny amin’ny sisin-dalana sy tsy hirimorimo tafahoatra ny mpitandro filaminana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana