Dans la mme rubrique

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Disadisam-piarahamonina Niafara tany amin’ny fitsarana ilay fety mariazy

05/11/2019

Ny fitsarana no handray an-tanana ny tohin’ny adin’ny fianakaviana avy amin’ny lehilahy an-kilany ary ny ankohonan-drazazavavy an-daniny.

 

 

Nandritra ny andro fankalazana ny mariazy tamin’ny toeram-pilanonana manamorona ny lalam-pirenena voalohany iny no nitranga ny disadisa, herinandro vitsy izay. Vaky ny fitaratry ny “espace”, potika ny ankamaroan’ireo lovia sy vera ary ny fanaka mora vaky nandritra ny gidragidra niseho tao amin’ny toeram-pisakafoana sady fandihizana. Fifanindriana amin’ny resaka mpanankarena mahihitra no fototry ny fifanafintohinana. Samy miseho ho manan-katao ireo fianakavian’ny mpivady avy eo Anosibe kanefa nifampiandriandry amin’ny fandraisana andraikitra sy nifanjanana tamin’ny adidy ary nahihitra amin’ny vola mivoaka. Raikitra ny latsa sy ny teny mandratra izay nifanakalozan’ny avy amin’ny an-daniny sy an-kilany. Ny maripanan’ny fety ihany koa efa niakatra avo noho ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola.

Ankoatra ny toeram-pilanonana izay nitory ireo mpivady vao noho ny fahasimban-javatra sarobidy, nifampitory ihany koa ireo fianakavian’ny lahy sy ny havan’ny vavy. Marihina anefa fa mpivady vita mariazy izy roa kely ka tsy ravan’izany savorovoro izany fa miara-monina hatrany hatreto.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana