Dans la męme rubrique

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

18/11/2019

Teo am-panaovana biriky no nilatsaham-potaka ny raim-pianakaviana iray ka maty tsy tra-drano, tao Didy Ambatondrazaka.

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa TanĂ -masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

ANALAVORY Ganagana iray namoizana aina

05/11/2019

Niakatra fampanoavana omaly ireo telolahy voarohirohy tamin’ny famonoana mpangalatra ganagana iray.

Ny alahady 27 oktobra teo no nitranga ny fifanjevoana, tao Ankonabe, kaominina Analavory. Lehilahy iray  30 taona no voalaza fa naka tsy niera io vorona fiompy io. Efa nandositra ihany ity farany fa notanarahan’ireo mponina teo an-tanàna ka tratran’izy telo lahy. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandariamariam-pirenena, sorena noho io asa ratsy niharo fandosirana io ireo mpanenjika ka sady nitora-bato. Nanoloana ny hery tsy mitovy sy ny be no ho vitsy, nilavo lefona ilay mpangalatra.

Ny miaramila avy ao amin’ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Analavory no nidina tany ifotony sy nandray an-tanana ny raharaha ka voasambotra tamin’izany ireto telolahy nahavanon-doza ireto. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana CSB2 Ankonabe ilay lasibatra ary nanao izay tratry ny heriny ny mpitsabo fa tsy tana ny ainy noho ny daroka sy ny ratra nanjo azy, ny ampitso alatsinainy. Nanipika ny zandary any an-toerana fa fandratrana an-tsitrapo nitarika famoizana aina io tranga io fa tsy fitsaram-bahoaka. Tsy maty teo no ho eo ilay lasibatra ary telolahy fa tsy vahoaka no nanatanteraka ny tora-bato sy ny kapoka. 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana