Dans la mme rubrique

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Loza teny Tsaramasay Maty tsy tra-drano ilay ankizivavy 8 taona

06/11/2019

Araka ny angom-baovaon’ny polisim-pirenena, mianatra eny Anjanahary ilay ankizy voadonan’ny kamiô teo Tsaramasy.

 

 

 

 Rehefa tsy tonga ny mpampianatra dia nalefa nody izy ireo. Teny am-pandehanana hody ilay zazavavy 8 taona no tratran’ny lozam-pifamoivoizana omaly maraina. Araka ny voalazan’ny nanatri-maso, niampita tampoka ilay zaza ka tsy nampoizin’ilay mpamily kamiô  22 taona, tamin’ny boulevard de l’Europe hihazo an’Ankorondrano. Etsy an-daniny anefa, nisy ihany nanatri-maso nanambara fa nandeha mafy ilay fiara vaventy izay nihoatra am-pandehanana fiara hafa ka nahatonga ny loza. Tsy nisy mpanaraka io zaza io raha ny filazan’ny mpitandro filaminana eo amin’ny paositry ny polisy Antaniavo.

«Tamin’ny 8 ora latsaka no nitranga ny fanitsahan’ny fiara mpitatitra biriky ilay mpianatra. Maty tsy tra-drano io zaza io. Teo amin’ny faritra Ankazomanga ampitan’ny Fiangonana Tsaramasay no niseho ny loza. Efa nentin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana Tsaralalana ny mpamily ilay fiara mpitatitra biriky», hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny polisin’Antaniavo, nandritra ny tafa manokana. Eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ny tompon’andraikitry ny famotorana eo anivon’ny polisim-pirenena, ary hatolotra ny fitsarana rehefa vita izany. Manana andraikitra koa ny sekoly amin’izao fampodiana zaza tsy ara-potoana izao.

 

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana