Dans la mme rubrique

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitrandrahana an-tsokosoko any Ikalamavony Sarona ny Béryllium sy tourmaline an-jatony kilao

06/11/2019

Béryllium 188 blocs no saron’ny zandarimariam-pirenena amin’ny faritra Matsiatra ambony sy tourmaline 118 kg.

 Olona miisa 7 no voarohirohy tamin’izany. Natolotra ny « police de mine » ao amin’ny sapan-draharaha iraisam-paritra misahana ny harena an-kibon’ny tany ao Fianarantsoa moa ny fanohizana ny fanenjehana araka ny lalàna velona.

Manoloana ny fitrandrahana vatosoa tsy ara-dalàna izay nataon’ny olona maro tsy nahazo alalana tao amin’ny toeram-pitrandrahana Befitsiotry, Soatanimbary Kaominina Tanamarina Bekisopa, Distrikan’Ikalamavony, no nahatonga ny fandraisana fepetra ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria tao Matsiatra Ambony.

Vokatry ny ezaka fametrahana ny sakan-dalan’ny mpitandro filaminana amin'ny toerana maro nentina hanaraha-maso ireo fiara mivezivezy izay hitiliana ireo vatosoa notrandrahana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna avy amin’io « carrière » io no nahazoana ireto harem-pirenena ireto. Andrasana noho izany ny tohin’ny fanadihadiana izay atidoha mikotrika sy mpandray ambadik’izao fitrandrahana an-tsokosoko izao.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana