Dans la mme rubrique

Biletà tokana « Tsy hisy ny fahatarana », hoy ny CENI

13/11/2019

Distrika 101 amin’ireo 119 manerana ny nosy no nahavitana ny fanotana biletà tokana izay fiaraha-miasa amin’ny tranoprintim-pirenena ho amin’ny fifidianana kaominaly sy mpanolotsaina.

Biletà tokana « Tsy hisy ny fahatarana », hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra Tsy taitra intsony ny olom-pirenena

13/11/2019

Ao anatin’ny herinandro faharoa ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna.

Fampielezan-kevitra Tsy taitra intsony ny olom-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro « Manana ny vahoaka isika…»

13/11/2019

Mihohy ny fampielezan-kevitra ataon’ny Kandida Atolotry ny Antoko TIM eto Antananarivo Renivohitra Rina Randriamasinoro.

Rina Randriamasinoro « Manana ny vahoaka isika…»

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governoram-paritra Nangataka ny hevitry ny HCC i Rivo Rakotovao

13/11/2019

Mbola mipetraka adihevitra taorian’ny fanendrena ny governoram-paritra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny repoblika

Fanendrena governoram-paritra Nangataka ny hevitry ny HCC i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny tsimatimanota Afaka hiasa tsara ve ny HCJ ?

13/11/2019

Nisokatra indray ny fanadihadiana mahakasika ireo tompon’andraiki-panjakana ambony nandritra ny fitondrana teo aloha izay voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Minisitra telo no voasaringotra amin’izany.

Ady amin`ny tsimatimanota Afaka hiasa tsara ve ny HCJ ?

Hamaky ny tohiny...

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

12/11/2019

Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

08/11/2019

Ao anatiny tsara amin’ny fampahafantarana ny kandida izay tohanany amin’ny hazakazaka ahazoana ny lapan’ny

tanànan’Antananarivo dia ny kandida laharana faha-2 anaty bileta tokana, Rina Randriamasinoro, ankehitriny, ny Jeune TIM Analamanga, raha ny fanamafisan’ny filohany, Heriniaina Razanadrakoto. Efa hita koa ny lesoka teo aloha mikasika ireo fanaraha-maso ny valim-pifidianana na tamin’ny fifidianana filoham-pirenena io na depiote. Manana ny stratejia hanoherana ny hala-bato sy hosoka ny Jeune TIM, hoy izy, ho an’ity fifidianana kaominaly ity. Tsy hanaiky hala-bato intsony izahay. Ho hentitra ny fanaraha-maso ary hitondra porofo tena mivaingana izahay, raha sanatria mbola hisy izany. Raha misy ny tsy fahafaham-po manoloana ny zava-mitranga dia tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra mifanaraka aminy, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana