Dans la męme rubrique

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

29/05/2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Politika eto Madagasikara Tsy marin-toerana

08/11/2019

Maro amin’ireo mpikambana ao anaty antoko politika na mpitarika no mivadibadika palitao noho ny tsy fahamarinan-toerana sy tsy fahamatorana,

 

 

 

 hoy ny fanazavana nentin’ny Vondron’Olon-Tsotra ( VOT).. Nandritra ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, misy hatrany ny fivadibadihana antoko na loko politika ary saika maka  endrika lokon’izay mpitondra eo izy ireo. Na misy aza ny fivadihan’ireo mpanao politika dia tsy tokony hitarika any amin’ny fifandrafiana ny fihetsika tahaka izany. Ilay fomba fanaovana politika mihitsy no tsy mipetraka sy tsy marin-toerana, hoy ny fanazavana. Nambaran’ny VOT fa tsy azo ametrahana fitokisana intsony ny mpanao politika mivadika tahaka ireny, izay efa hitam-poko sy firenena ireny. Izany no mahatonga ny olom-pirenena sahy miteny sy milaza fa leo mpanao politika izy ireo. Ilaina ny fanabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanao politika mpitady seza sy mpitady tombontsoa manokana. Raha tiana ho mari-toerana ny firenena iray amin’ny fanaovana politika, dia mila mijoro sy mitazona ny heviny ny mpanao politika fa tsy manao tanalahy miova loko sy manaran-drenirano ny fitondrana fotsiny.

 

Sitraka r.          

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana