Dans la mme rubrique

Kandidan’i IRK ao Ivato Tonga any an-tsekoly mihitsy manao propagandy

21/11/2019

Tonga hatrany an-tsekoly ny kandida Rasoamiaramanana Godfrin IRK ao Ivato no manao propagandy.

Kandidan’i IRK ao Ivato Tonga any an-tsekoly mihitsy manao propagandy

Hamaky ny tohiny...

Fitaovam-pifidianana Tsy mbola tonga eny amin`ny fokontany

21/11/2019

6 andro tsy hirosoana amin`ny latsa-bato amin`ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina eto Madagasikara dia tsy mbola tonga eny

Fitaovam-pifidianana Tsy mbola tonga eny amin`ny fokontany

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro “Tsy hanaiky habadoina intsony isika…”

21/11/2019

Andro vitsy sisa dia hifarana tanteraka ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna.

Rina Randriamasinoro “Tsy hanaiky habadoina intsony isika…”

Hamaky ny tohiny...

Manaitra ny Vondron’olon-tsotra « Tena rava ny faripiainan’ ny Malagasy. »

21/11/2019

Nampiaka-peo manoloana ny zava-misy eto Madagasikara tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga omaly ny avy eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra na VOT tarihin’ny filohany, Sarah Zoé.

Manaitra ny Vondron’olon-tsotra « Tena rava ny faripiainan’ ny Malagasy. »

Hamaky ny tohiny...

Fiadidiana ny Repoblika Miha halan’ny olona ny talen’ny serasera

20/11/2019

Toa tena miha halan'ny olona ny Talen'ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga. Masiaka firesaka any anaty facebook. Indraindray mifamaly aman'olona mihitsy. Efa toetra ve sa izay mihitsy ilay endrika serasera atao ?

Fiadidiana ny Repoblika Miha halan’ny olona ny talen’ny serasera

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Hain’ny frantsay ny mody mamerina ny Iles Eparses »

20/11/2019

Tsy mieritreritra ny fitondrana ankehitriny ho maherifon’ny firenena ny antoko Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa,

Antoko Teza « Hain’ny frantsay ny mody mamerina ny Iles Eparses »

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra Tsy dia mampiraika ny Malagasy intsony

20/11/2019

Tsy dia nalaza ny fampielezan-kevitra. Mitabataba ny mpanao propagandy mandalo kanefa mipitrapitra fotsiny ny olona.

Fampielezan-kevitra Tsy dia mampiraika ny Malagasy intsony

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoham-pirenena Mitety EPP sy CEG mizara “kits scolaires”

08/11/2019

Ho fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra ho an’ny taona 2019-2020 dia notolorana fitaovam-pianarana ireo mpianatra ao amin’ny EPP sy CEG teny Anosibe Angarangarana.

Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana kosa dia nahazo rakibolana vaovao sy “tablettes numeriques » ankoatra ireo fitaovam-pianarana ireo. Tonga nanolotra izany sy nihaona tamin’ireo mpianatra teny an-toerana ny filoha Andry Rajoelina omaly. Miara-dalana aminy eny foana moa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy arak'asa, Volahaingo Marie Thérèse. Nasian’ny filoham-pirenena tsindrim-peo manokana ny rakibolana vaovao, izay hozaraina amin’ireo mpianatra rehetra hanala fanadinana manerana an’i Madagasikara. “Laharam-pahamena ny fijerena ny lafiny sosialy ary tafiditra amin`izany ny sehatry ny fanabeazana”, hoy ny filoha omaly, raha nizara fitaovam-pampianarana (kits scolaires) izy. Zava-dehibe ny fampitaovana tahak`izao entina hanasongadinana sy hanandratana ny kalitaon`ny fampianarana eto amintsika, ka raha efa anaty velirano ny fanabeazana sy ny fampianarana dia antenaina fa hanohy ny fanomezana "kits scolaires" toy ny natao tetsy amin'ny EPP Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe, ho manerana ny Nosy mihitsy. Nisy ihany koa omaly ireo mpampianatra FRAM teny Anosibe neken’ny filoha avy hatrany fa ampidirina ho mpiasam-panjakana. Manomboka eto izany dia ho hita matetika any an-tsekoly hizara “kits scolaires” ingahy filoha. Ilay loko volomboasary efa naravaka ireo kahie, moa va tsy tosika tsotsotra ho an’ireo kandidan’ny IRD manerana ny nosy ?

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana