Dans la mme rubrique

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

17/01/2020

Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

16/01/2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

15/01/2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna VBG Neken’ny HCC

14/01/2020

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Lalàna VBG Neken’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

13/01/2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

13/01/2020

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

11/11/2019

Noroahin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tsy ho mpitsara intsony ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Fanirisoa Ernaivo ny 7 novambra teo.

 

Antony nanenjehana azy ny kabary nataony tetsy Mahamasina ny 30 oktobra 2018, fony izy kandida filoham-pirenena nitarika hetsika niarahana tamina kandida maromaro. Misy matetika ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana rehefa ohatr’ireny, ka nahatonga azy nampiaka-peo toa nanome rariny ny raharaha fitsaram-bahoaka nahafaty polisy miisa 3 sy nanozona polisy. Anisan’ny nitory azy ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Naaton’ny minisiteran’ny fitsarana notarihin’ny minisitra Harimisa Noro Vololona tamin’ny asany mandritra ny enim-bolana izy fotoana fohy taorian’io, mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra raikitra. Manoloana io, nambarany fa ny 8 novambra lasa teo no fotoana nampanantsoana azy, saingy naroso ny 7 novambra, izany hoe tsy teo ny tenany tamin’ny fiakarana filankevi-pifehezana (CODIS). Nisy ny fanitsakitsahana ny zon’ny fiarovana satria tsy navela niaro tena akory aho, hoy izy. Tsy voahaja ihany koa ny tsiambaratelon’ny fanapahan-kevitra satria tsy nahazo fampahafantarana (notification) akory hoe noroahina tsy ho mpitsara, fa « compte fake » tany amin’ny facebook no nanaparitaka izany, izay vao nanontany ny CSM. Nambarany fa tsy ara-dalàna io fanapahan-kevitra io ary misy ambadika politika, ary nisy nanome loharanom-baovao taminy ihany koa fa nomena baiko hanao fanangonan-tsonia (pétition) ny depiote IRD nangatahana ny fandroahana azy. Niaraka tamin’ny “intention” hanao “petition” hanalana ny PM Ntsay Christian io, hoy hatrany ny fanazavana. Misy fifanitsaham-pahefana izany ? Ny minisitry ny fitsarana no namoaka fanapahan-kevitra hampiato ahy amin’ny asako sy ny tombontsoako. Rehefa tsy niakatra CODIS aho anatin’ny enim-bolana nivoahan’io ny minisitra io, dia foana ilay ny fanapahan-kevitra. Miverina amin’ny asako aho, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Milaza ny hanao fampiakarana (recours) ity mpitsara ity. Tsiahivina fa nanohana an’i Marc Ravalomanana izy tamin’ny fifidianana filoha fihodinana faharoa. Vao tsy ela ihany koa no nitondra kiana mivaivay amin’ny raharaha Ambohitrimanjaka sy ny fananganana Tanà-masoandro. Misy ifandraisany ve ireo ? Io izany ny fanapahan-kevitra mikasika an’i Fanirisoa Ernaivo fa mba aiza ny tohin’ny raharaha maro, toy ny famotsoran’ny mpitsara an’i Manantena Hajanirina nosamborina noho ny raharaha Kidnapping, izay olon’ny antoko MAPAR notazonina tany Toamasina saingy navotsotra ?

 

Hanao valandresaka eny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny filohan’ny SMM Clément Jaona anio amin’ny 10ora maraina ka andrasana izay ambarany, ary heverina fa horesahany ny momba io raharaha Faniry Ernaivo io.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana