Dans la męme rubrique

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

06/12/2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

04/12/2019

May kila forehitra ny ampahany amin’ny tranombarotra goavana Galerie Mialy etsy Behoririka ampitan’ny mpaninjara solika Shell omaly hariva.

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

04/12/2019

Anisan’ny antony nampiatoana ny fanadinana teo anivon’ny sekoly ambony mampiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ny fisiana endrika kolikoly ka nandraisana fepetra fampiatoana ny fanadinana.

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

Hamaky ny tohiny...

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

04/12/2019

Anisan’ireo olana maro amin’ireo voafonja eto amintsika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ary maro no tsy ara-dalàna.

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

04/12/2019

Manara-maso ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny « Inspection Générale de la Police Nationale » (IGPN).

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

04/12/2019

Ny 1 600 amin’ireo mpiadina 10 646 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany voalohany tamin’ny 23 sy 24 novambra lasa teo no horaisina hiatrika ny dingana faharoa.

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

 

 

 

Samy hanao izay ho afany tokoa ireo mpirotsaka hofidiana. Saingy tsy azo odian-tsy hita fa nihamaro ny vola sandoka tato ho ato. Raha tsiahivina, nisy tranga toy izao tamin’ ny taon-dasa, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Vola sandoka 20 000 ariary indray no miparitaka ary misy faritra no voakasika. Maninona moa no miparitaka indray ireo vola sandoka ao anatin’ny vanim-potoam-pifidianana ? Fanakorontanana saim-bahoaka ve sa sanatria io mihitsy no ampiasaina hanaovana propagandy ? Tsy ny tontolon’ny politika ihany anefa no mety hikorontana fa na eo amin’ny sehatry ny toekarena amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka. Ireo irakiraka na nampiasa ny vola sandoka no tratra hatreto. Eo ihany koa ireo ambara fa mpiasa mpanonta azy, fa tsy mbola fantatra mazava ny atidoha sy lohandohan’ny mpisorona.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana