Dossier
Doro tanety etsy sy eroa Ireo mpitsoa-ponenana sy ny tevy ala no fositra
13/11/2019
Mirongatra ny doro tanety manerana ny faritra amin’izao ary saika potika avokoa ny harena ambanin’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Alexandre Georget fa noho ny fisian’ireo olona
mitsoa-ponenana manao tevy ala sy manao tavy no mampirongatra azy io. Araka ny fanazavany, efa mametraka ny paikady isan-karazany amin’ny famongorana azy ny eo anivon’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana. Araka ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitra sy ny teknisianina ary ireo manampahaizana dia mahatratra 150.000 ka hatramin’ny 200.000 hektara no very sy potika, vokatry ny doro tanety, tevy ala ary tavy izay mahazo ny toerana saropady ka mamotika ireo harena ankibon’ny tany, hoy hatrany ny minisitra. Noho izany, nahetsika avokoa ny faritra rehetra nahitana ny OMC distrika, ny tale rezionaly, lehiben’ny distrika, ny ben’ny tanàna sy ireo ratsamangaikan’ny minisitra mba hiady amin’ity famotehana ny ala ity. Nanao antso amin’ny olom-pirenena koa ny tenany fa misy ny zava-dratsy aterak’io doro tanety io ary simba sy ripaka ny toekarena. Tonga koa ny aretina izay loza ho an’ny taranaka, koa entanina ny olom-pirenena rehetra handray anjara amin’ny fambolen-kazo, mba ho tontolo mantso ny nosy.
Sitraka r.