Dans la mme rubrique

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

06/12/2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

04/12/2019

May kila forehitra ny ampahany amin’ny tranombarotra goavana Galerie Mialy etsy Behoririka ampitan’ny mpaninjara solika Shell omaly hariva.

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

04/12/2019

Anisan’ny antony nampiatoana ny fanadinana teo anivon’ny sekoly ambony mampiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ny fisiana endrika kolikoly ka nandraisana fepetra fampiatoana ny fanadinana.

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

Hamaky ny tohiny...

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

04/12/2019

Anisan’ireo olana maro amin’ireo voafonja eto amintsika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ary maro no tsy ara-dalàna.

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

04/12/2019

Manara-maso ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny « Inspection Générale de la Police Nationale » (IGPN).

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

04/12/2019

Ny 1 600 amin’ireo mpiadina 10 646 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany voalohany tamin’ny 23 sy 24 novambra lasa teo no horaisina hiatrika ny dingana faharoa.

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

 Nihoso-potaka hatramin’ny raiamandreny teny Ankadimanga omaly mba hanehoany fa zava-dehibe aminy sy ny fianakaviany ary ireo mponina amin'ny kaominina efatra voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro ny fisian'ireo tanimbary izay kasain'ny fanjakana hototofana. Voalaza fa hidina teny Anosivita sy Fiombonana ny solontenam-panjakana hanao tombana sy hijery ny fomba hanatanterahany ny tetikasa ka efa nivonona ny haneho ny fanoherany amin’ny fomba rehetra izany ny vahoaka. Tsy tonga moa ireo nandrasana. Miezaka mandresy lahatra sy milaza ho maka ny hevitry ny mponina ny mpitondra, saingy efa mazava sy miharihary ny heviny, raha dinihina amin’ny fanoherana nisy hatramin’izay. Toa terena an-kolaka hanaiky ! Efa nitranga ny fifandonana, ary vao tsy ela no niteraka famoizana ain’olona noho ny fihetseham-po tamin’ny fahatongavan’ny olom-panjakana. 887 ireo olona efa nakana hevitra tetsy amin’ilay Birao iraisana tetsy amin’ny Village Voara, 636 no tompon-tany. 80 monja tamin’ireo anefa no nanaiky. Somary novoizin’ny fanjakana vao tsy ela ny fanadihadian’ny FES (Friedrich Ebert Stiftung) naneho fa ny 81% tamin’ny olona 2516 nanaovany fanadihadiana no mankasitraka ny tetikasa Tanà-masoandro, ka nilazan’ny mpitondra fa tsy fitiavana an'Antananarivo ary fanohizana ny fanimbana azy ny tsy fanaovana io tetikasa io. Heverina fa olona eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny, fa tsy ny hoe : mponina mivantana voakasiky ny fanotorana tany sy tanimbary. Lojika ny fankatoavana hoe ilay ny fananganan-javatra fa ny adihevitra dia ny hoe tsy maintsy manototra tanim-bahoaka ve ? Tena ny Tanà-masoandro ve no laharam-pahamehana sy maika indrindra raha dinihina amin’ny olana mianjady ny vahoaka sy ny firenena ?

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana