Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Maka Alphonse - filohan’ny CFM “Aoka ny fitsarana tsy hatao fitaovana politika”

14/11/2019

Sesilany tato ho ato ny tompon’andraiki-panjakana voarohirohy amina fanodinkodinana volam-bahoaka. Hentitra i Maka Alphonse,

 

 

filohan`ny CFM nilaza fa tsy tokony hijerena endrika sy toerana ara-politika ny ady amin`ny fahalovana. Noho izany,  rariny raha mihatra ny lalàna ho fanajana ny rafitra. Ilain`ny firenena izany mba hanjakan`ny marina hatrany. Nanazava izy fa ny anton`ny fampihavanam-pirenena dia tsy natao hampanjakana ny tsimatimanota fa kosa hampihavanana ny Malagasy. Tsy natao hisakana ny asan`ny fitsarana koa. Ny CFM koa, hoy izy dia voafaritra amin`ny lalàna ny fe-potoana hiasany ary voafaritra ihany koa ny asa sahaniny. Aleo halalaka ny fitsarana hanao ny asany satria izay rahateo no imatitatesan`ny fitondrana mba hisian`ny fampanjakana ny rariny sy ny ady amin`ny kolikoly. Ka raha ohatra misy an io tranga io, dia aleo ny fitsarana hanao ny asany. Aoka kosa ny fitsarana tsy atao fitaovana politika ka hanenjehana izay tsy mitovy hevitra. Amin`izay mba hahatsara tarehy ny fitsarana sy fanjakana amin`ny ady amin`ny kolikoly ka tsy mitanila fa atao araka ny lalàna velona fa tsy hanaovana valifaty politika.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana