Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

 

 amin’izy ireo mihitsy amin’izany na dia efa nivoaka aza ny didim-pitsarana nanasazy an’ireo mpisandoka ho Dinabe tany an-toerana.  Ankoatra ny ombin’i Jaonary sy ny hafa efa voaresaka hatramin’izay dia ombin’Atoa Soatogno miisa 100 indray izao no lasan’izy ireo ka rehefa tsy  nanaiky nandoa ny volabe notakian’izy ireo hamotsorana  an’ireo omby ny tompony dia noroahin’izy ireo nihazo ny toby miaramila faha-504-B  ao Antanimeva ireo omby, omaly alarobia 13 novambra 2019, mba hataon’izy ireo lavanty toy ny efa nataony teo aloha. Asa fampihorohoroana sy fangalarana tsotra izao no azo anambarana izany. Sakanana amin’ny alalan’ny “barrage” atao ao Antanimeva koa ireo tompon’omby toa an’i Mahatratsy Jean  izay Kandidà ho ben’ny tanàna ao Ambahikily sy Patrick kandidà ao Antanimeva ary Babo kandidà ao Befandriana. Tena manao fanjakana kely ao anaty fanjakana ireto miaramila ireto fa rahonan’izy ireo hotifirina ireo kandidà ireo raha vao mihevitra ny ho tonga hanao fampielezan-kevitra any amin’ny distrikan’i Morombe hilatsahan’izy ireo iny ka voatery mijanona ao Toliara fotsiny izao.

Ntsoavina Evariste

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana