Tranga
Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”
14/11/2019
Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.
Miisa 887 ireo olona nanatona ny birao manokana misahana ny fifampiresahana ka 636 ireo tompon-tany sy trano raha ny tatitra farany voaray. Fianakaviana 80 voakasika amin`ny dingana voalohany ka efa miditra amin`ny firosoana amin`ny fangatahana ataon`ny olona tsirairay ny fanjakana. Mandeha ny fifampiresahana ary mitohy miandalana rehefa miroso hatrany amin`ny fanatanterahana ny tetikasa Tanà-masoandro ny eo anivon`ny minisiteran`ny fanajariana ny tany (MAHTP). Nanamafy i Hajo Andrianainarivelo fa tsy misy olana taorian`ny fitarainana nataon`ny vahoaka eny ifotony ny fikarohana vahaolana sy fanohizana ny fifampiresahana hisian`ny fandravonana ny disadisa amin`ny fananganana tanà-masoandro. Etsy an-kilany anefa dia mbola manohy hatrany ny fandavana hanotoranana ny taniny ny mponina voakasika amin`io tetikàsa io. Tsy manaiky ny fanotofana ny tanimbariny ireo mponina eny Ambohitrimanjaka satria tanindrazany nolovainy avy amin’ireo ray aman-dreny teo aloha. Ambonin’izay dia manamaivana ny fandaniana ara-tsakafo ho an’ireo manana tany ny vokatra azo avy amin’ireo tanimbary sy tanimboly. Etsy an-daniny kosa dia mitady hirika amin’ny fanarahana ny dingana tsy maintsy lalovana ny fitondrana ka rehefa heveriny fa ara-dalàna izany dia hotanterahiny amboletra amin’izay ny tetikasa. Hain’izao fitondrana izao ny mampiesona amin’ny alalan’ny serasera, ka na izay tsy hahita tombontsoa amin’izay lazainy aza dia mitehaka sy manohana fa hisy tokoa ny fampandrosoana. Miezaka mamono afo ny ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisitera tompon’andraikitra ary hita aloha fa tsy milamina hatreto.
Marigny A.