Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

 

 Nipotsaka ny atidohany, ary nandriaka ny ra. Mahaontsa satria vatana mangatsiaka sisa no novantanin’ny rainy nanorohany sy nofihininy tao anatin’ny ranomaso. Nitangorona ny olona, saingy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nialoha io, tao Vatofotsy Antsirabe omaly maraina tokony ho tamin’ny 9ora, dia lehilahy iray tokony ho 40 taona no nitsoraka tao ambany kamiao. Mpanera no voalaza fa asany ary tsy nisy nanampo ny mety ho fihetsiny ireo namany sy mpiara-miasa tafiaraka taminy. Nijoro toy ny rehetra ny tenany ka raha vao nandalo ilay fiarabe mpitatitra entana dia avy hatrany izy dia nitsoraka tao ambanin’ilay fiara vaventy nizotra moramora, ka maty tsy tra-drano voahitsaka. Feno lavadavaka rahatateo iny lalany iny tsy ahafahan’ny fiara mandeha mafy ary tsy naka sarotra ranamana fa avy hatrany dia nitsoraka nanandrify ny kodiarana nanapitra ny ainy. Tapatapaka sy potika ny valahany. Tsy fantatra mazava ny antony namoonoany tena. Nisy fotoana izy efa nanambara tamin’ny namany fa te hamono tena, hoy ny fianakaviany. Fantatra fa manambady ary manan-janaka efatra ity lehilahy ity. Eny Talata Andraikiba no fonenany fa mikarama no andehanany ao Antsirabe. Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny minisiteran’ny fitaterana no nanao tatitra fa nitombo avo 2 heny ny lozam-pifamoivoizana teto Madagasikara tamin’ity taona 2019 ity mitaha ny tamin’ny taona 2018. Raha  148 izany tamin’ny taon-dasa dia 279 no efa voarakitra, ary mbola mety mahery lavitra an’io tarehimarika misy io mihitsy aza, hoy ny minisitry ny fitaterana Joel Randriamandranto. Misy ny fepetra raisina eo anatrehan’izany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana