Politique
Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »
18/11/2019
Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.
Momba ny fiainam-politika dia nilaza izy fa samy hafa amin`ny any ivelany ny eto Madagasikara. Tsy misy izany an-kavanana, an-kavia na afovoany eo amin`ireo hery politika saingy tsy voatery mpanohana na mpanohitra anefa. Tao anatin`ny 10 volana nitondran`ny filoha Rajoelina dia tsy ny ain-dehiben`ny Malagasy no nimasoana. Lafim-piainana maro no hita ao anatin`izay ain-dehibe izay ka rehefa vita no mandravina ireny dia hita ny fampandrosoana. Hatramin`izao ireo mibahan-tsehatra ireo dia tsy mbola miady hevitra amin`ny fampandrosoana. Ireo mahazo fahefana eto amintsika dia tsy mahalala izay mahakaiky azy hatrany ka manjaka ny kiatranoantrano na dia tsy manana mari-pahaizana tandrify azy. Hany ka mampanjaka ny kolikoly sy tsimatimanota. Nohamafisiny fa mila manova toe-tsaina toa an`ireo firenena hafa isika ka izany indrindra no tokony halain-tahaka. Hatreto dia ny mampisondrotra ny tandapa, ireo tompomenakely isaky ny faritra… no misongadina. Ny mampisondrotra an`ireo anefa no mampietry ny besinimaro, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.