Dans la mme rubrique

Miaka-pofona ny Monde Justice “Toherinay ny tsikombakomba amin’ny Frantsay”

20/02/2020

Eto Madagasikara ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Jean Yves le Drian anio sy rahampitso.

Miaka-pofona ny Monde Justice “Toherinay ny tsikombakomba amin’ny Frantsay”

Hamaky ny tohiny...

Fahasarotam-piainana Tsy midika hoe afaka mifamono eto isika, hoy ny CFM

20/02/2020

« Aiza ho aiza isika malagasy ankehitriny amin’ny fanajana ny hasin’ny aina amin’ny fanajana ny hasin’ny olombelona ?”,

Fahasarotam-piainana Tsy midika hoe afaka mifamono eto isika, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Minisitra Jean Yves le Drian Tonga hanamafy ny politikan’i Frantsa eto Madagasikara

20/02/2020

Hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny mpitondra ambony Malagasy i Jean Yves Le Drian minisitra

Minisitra Jean Yves le Drian Tonga hanamafy ny politikan’i Frantsa eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nomen’ny Vondrona Afrikanina toerana ambony

20/02/2020

Notendren’ny Vondrona Afrikanina hitarika iraka fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena any Togo ny filoha Malagasy teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Hery Rajaonarimampianina Nomen’ny Vondrona Afrikanina toerana ambony

Hamaky ny tohiny...

Politika sy fiainam-pirenena Hanavao ny paikadiny ny TIM

20/02/2020

Hamory ireo tompon'andraikitra sy lohandohan’ny mpisorona ao aminy ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny alarobia 26 febroary ho avy izao.

Politika sy fiainam-pirenena Hanavao ny paikadiny ny TIM

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nahazo fahafahana vonjimaika

19/02/2020

Tonga namaly ny antson’ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy i Ny Rado Rafalimanana, filohan'ny ONG Fanahy no Maha Olona,

Ny Rado Rafalimanana Nahazo fahafahana vonjimaika

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Ramakavelo Désiré Nanao famelabelaran-kevitra tany am-ponja

19/02/2020

Notontosaina omaly teny amin'ny fonjaben'Antanimora ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, notarihin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré ;

Jeneraly Ramakavelo Désiré Nanao famelabelaran-kevitra tany am-ponja

Hamaky ny tohiny...


Politique

Minisitra manana dosie maloto Hangotraka amin’izay ny fanenjehana…

04/12/2019

Anio no fotoana voatondro fa hifidianan’ireo solombavambahoaka ny solontenany ao anatin’ny Fitsarana Ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice),

 

 

 izay rafi-pitsarana natao hitsara ireo olom-panjakana ambony, toy ny minisitra manana raharaha ara-pitsarana. Ny tsy fisian’ireo solontenan’io andrim-panjakana io hatramin’izay no voalaza fa antony somary nampihisatra ny dosie maromaro mahasaringotra minisitra. Mila ny tsodranon’ireo depiote ny fanenjehana.  Dosie goavana efa somary nokitihina tamin’iny volana novambra iny, nandeha teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny raharaha mikasika ny minisitry ny asa vaventy teo anelanelan’ny 2013-2014 voasaringotra amina kolikoly 700 tapitrisa narotsaka tao anaty kaontiny ; minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra iray teo aloha mahakasika tsenan’asam-panjakana tsy misy (marché fictif) mitentina 5,9 miliara ariary ; minisitry ny mponina tamin’ny taona 2018 noho ny raharaha kolikoly 1 miliara ariary. Mbola nisy minisitra voasaringotra tamin’ny raharaha famarotana ny Villa Elisabeth ka asa na voakitika na tsia ; minisitra iray iray taloha manana toerana any an-dapa any ihany koa no nanana dosie mikasika fanodinkodinam-bola sy fiara 9 ka asa na handeha ihany koa ny raharaha na ny mpifanandrina politika amin’ny mpitondra no ho lasibatra. Mety hihazakazaka ny fanenjehana ireo manana dosie maloto. Sady pimaso amin’ny mpamatsy vola rahateo io. Mpandraharaha iray lehibe voarohirohy tamin’ny fanondranana boaderozy ary notanana eny Tsiafahy efa am-bolana maro ihany koa no hiakatra eny amin’ny Tribonaly Anosy anio.

Toky R 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana