Dans la mme rubrique

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

21/01/2020

Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay Ramatoa namono ny zanany roa ka saika hamono tena dia nosamborin’ny Polisy afak’omaly.

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

21/01/2020

Nahitsy ny tenin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly nanoloana ny mpanao gazety.

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Tsy hilefitra ny ray aman-drenin’ireo mpianatra miisa 22

21/01/2020

Rehefa vitan’ny mpitsabo teo Ambatomiraharavy ny fizaham-pasalamana sy ny fitiliana dia voalaza fa ny fihinanana sakafo

Fanapoizinana ara-tsakafo Tsy hilefitra ny ray aman-drenin’ireo mpianatra miisa 22

Hamaky ny tohiny...

«GARE ROUTIERE MAKI» ANDOHATAPENAKA Nadoboka am-ponja ireo jiolahy roa mpanendaka

21/01/2020

Natolotra ny fitsarana ireo roalahy mpanendaka eny amin’ny fiantsonana taksibe Andohatapenaka ary notazonina vonjy maika eny Antanimora omaly alatsinainy 20 janoary 2020.

«GARE ROUTIERE MAKI» ANDOHATAPENAKA Nadoboka am-ponja ireo jiolahy roa mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMARINA ANDRAMASINA Mitohy ny fanadihadiana an’ilay hita faty nisy namono

21/01/2020

Nahitana fatina lehilahy iray tao Ambohimarina, distrikan’Andramasina izay lalana anelanelan’ity renivohitry ny distrika ity sy Behenjy Ambatolampy.

AMBOHIMARINA ANDRAMASINA Mitohy ny fanadihadiana an’ilay hita faty nisy namono

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy maty tao amin’ny Borigady “Tsy tokony ho vitavita ho azy”

21/01/2020

Tovolahy iray 27 taona notazonina tao amin’ny biraon’ny zandary teny Andoharanofotsy no namoy ny ainy ny zoma lasa teo, izay heverin’ny olona fa herisetra no mety nahafaty azy.

Lehilahy maty tao amin’ny Borigady “Tsy tokony ho vitavita ho azy”

Hamaky ny tohiny...

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

20/01/2020

Araka ny loharanom-baovao azo avy any Toamasina, tsy misy ahiana ny ain’ilay raim-pianakaviana izay tsy nahatsiaro tena tanteraka raha tratran’ny fahavakisan’ny lakana teny anivon-dranomasina.

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no nitrangan’izany, tao amin’ny distrika. Noho izany, nivory maika ny OMC distrika, nahitana ny zandary, polisy, miaramila ary ny distrika, ka tapaka fa hisy ny fisavana hentitra ho an’ireo fiara madinika sy taksiborosy mandalo amin’io toerana io. Hosavaina koa ireo moto, izay nitombo isa, tao anatin’ny andro vitsy izao. Hisy ihany koa ny fisavana ireo olona mivezivezy eo an-tanàna, ka voarara amin’izany ny fitondrana zava-maranitra toy ny antsy, famaky, fibara. Nampanantena ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto, fa tsy tokony hatahotra ireo mponina ao Ankazoabo, fa efa misy ny andraikitra sy ny fepetra hentitra noraisin’izy ireo, hoy ny vaovao avy any an-toerana.

 

Sitraka r.   

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana