Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Nohosihosena ny safidim-bahoaka tao Faratsiho

10/01/2020

Nivadika ambony ambany ny voka-pifidianana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Faratsiho, distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra.

 

 

 

 

 

Tsy namelan’ny kandida natolotry ny IRK mantsy raha tsy norombahiny ny fandresena  raha Ramilison Nomenjanahary, kandida natolotry ny antoko MMM no kandida lany vonjimaika tamin’ny vokatra navoakan’ny CENI, herinandro maromaro lasa izay, tamin’ny salan’isa 96 %. Raha araka ny tafa nataon-dRamilison Nomenjanahary tamin’ny mpanao gazety omaly dia noezahin’ity kandidan’ny IRK ity natao izay nanafoanana ny vato tao amin’ny EPP Besorohitra, fokontany Mahatsinjo Mampiadana, kaominina sy distrikan’i Faratsiho toerana izay nahabetsaka ireo olona nifidy sy nankasitraka azy. Novolena, hoy izy ny lainga fa nihidy ireo biraom-pifidianana roa tao amin’ity fokontany iray ity tamin’io datin’ny 27 novambra io nefa nisokatra ary afaka nandatsa-bato avokoa ny mpifidy rehetra. Nanamafy izany, hoy izy ny filohan’ny biraom-pifidianana any an-toerana izay  notongavana môtô miisa valo be izao ny andron’ny zoma taorian’ny fifidianana noho ny antony tsy fantatra. Io lainga noforonina io no nentin’izy ireo teo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ka nivoaka ho mpandresy izy ireo. Nomarihin’ity kandida natolotry ny MMM ity anefa fa afaka mamoaka ny porofo milaza fa tsy nihidy ireo biraom-pifidianana roa ireo ireo vahoaka ao amin’ny fokontany Mahatsinjo sy ireo delegen’ny kandida izay nanara-maso hatrany tao anatin’ny biraom-pifidianana tamin’io andro io.  Hihaona sy hampahafantatra ny vahoakan’i Faratsiho mikasika ity zava-misy ity, araka izany, ny kandida Ramilison Nomenjanahary rahampitso sabotsy 11 janoary.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana