Dans la męme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Olana ara-tsosialy sy politika Mananontanona ny fidinana an-dalambe

10/01/2020

Vao miandoha ny taona dia efa mafampana sahady ny toe-draharaham-pirenena na ny lafiny politika na ny sosialy.

 

 

Mandeha ny fitakiana sy ny fitokonana samihafa, toy ny eny amin’ny anjerimanontolo izay manidy tanteraka ny oniversite tohin’ny fitakiana lavareny efa am-bolana maro tsy misy valiny mahafa-po. Io fa mampikatso ny fampianarana ihany koa ny mpanabe noho ilay resa-bola 65000Ar nisy nanabory teny an-dalana,… Maro ny olana tsy voavaha kanefa ny fanjakana dia mampiseho zavatra mifanohitra amin’izany, raha tsy hilaza afa tsy ny hoe: 77 tapitrisa dolara na 280 miliara ariary ny tetibola holaniana amin'ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Renay ary fantatray fa vola avy amin’ny FIFA io, hoy ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana. Hahavitana lalana 1400 km io raha ny 200 tapitrisa ariary ny manao ny 1 km na hahafahana manorina efitrano fianarana 8000 mahery ihany koa. Tsara ny kianja fa izay ve no tena laharampahamehana raha amin’izao toerana misy an’i Madagasikara izao ? Navoitra tetsy Iavoloha tamin’ny fihaonan’ny filoha sy ireo depiote ihany koa ny hanomezana vola 5 miliara dolara ny depiote ambara fa hoenti-miasa hampandrosoana ny distrika. Lojika raha miseholany ny fitakiana samihafa satria misy izany ny vola.  Ny olana ara-tsosialy miha mafy hatrany, vao mainka niampy ny loza nateraky ny fiarakan’ny rano. Ny vidim-piainana hidangana hatrany ary vao mainka misy io fiakaran’ny vidin-tsolika vokatry ny adin’i Etazonia sy Iran io. Mety hiakatra ihany koa ny vidin-jiro izay ny 70% amin’ny famokarana amin’ny alalan’ny solika avokoa. Ny delestazy tsy mivaha fa vao mainka mihamafy, ny fampianarana mikatso, ny tsy fandriampahalemana mahazo laka, ny fifidianana niteraka lonilony,… Mety hitambatra hiteraka fipoahana ara-tsosialy sy politika hiafara amin’ny fidinana an-dalambe io, raha tsy mahay ny fanjakana. 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana