Dans la mme rubrique

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Sarety no itondrana marary

02/04/2020

Tsy misy ny Fiarakaretsaka na Taxi. Tsy misy koa ny Taxibe. Etsy an-kilany koa anefa dia lafo ho an’ireo sarambabem-bahoaka ny hofan’irony fiara mpitondra

Antananarivo Sarety no itondrana marary

Hamaky ny tohiny...

Nilatsaka avy eny ambony kamion’ny Samva Ramatoa maty notetezin’ny kodiarana

02/04/2020

Saika handeha hiantsena teny Mahazo ny ramatoa iray monina eny Ambohiomangakely sy ny zanany vavy no sendra ny loza mahatsiravina omaly tokony ho tamin’ny 6 ora maraina.

Nilatsaka avy eny ambony kamion’ny Samva Ramatoa maty notetezin’ny kodiarana

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo Mpilatsaka an-tsitrapo 500 hikarama 10 000 isan’andro

02/04/2020

Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 500 eo no manomana ireo « Vatsy Tsinjo » fanampiana omen’ny fitondram-panjakana ho an’ireo fianakaviana marefo sy sahirana mandritra izao fihibohana izao.

Fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo Mpilatsaka an-tsitrapo 500 hikarama 10 000 isan’andro

Hamaky ny tohiny...

JIRAMA Maharay fitarainana 850 isa isan’andro

02/04/2020

Efa miasa tanteraka ilay laharana maitso 3547 hifandraisan’ny orinasa JIRAMA amin’ny mpanjifa. Ao amin’ny ivon-toerana antsoina hoe : “Centre de relation client” no raisina ny antso rehetra avy any amin’ny mpanjifa.

JIRAMA Maharay fitarainana 850 isa isan’andro

Hamaky ny tohiny...

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

01/04/2020

Taratry ny fandrosoan’ny firenena ny filàna ara angovo misy ao aminy.

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

01/04/2020

Mbola niverina indray ny fitangoronan’olombelona maro be tetsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely omaly,

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Antananarivo Renivohitra Dibo-drano satria tsy voahaja ny drafi-panajariana ny tany

10/01/2020

Efa mazava ny resaka fa antony 3 lehibe no mahatonga an’Antananarivo dibo-drano amina rotsak’orana tapak’andro.

 

 

Voalohany tena tsy ampy ny tatatra sy lalan’ny rano, faharoa be loatra ny fanorenana trano tsy ara-dalàna ary fahatelo ny fanotofana tany eto an-drenivohitra sy amin’ireo faritra manodidina azy. Vokatr’ireo dia mora miangona ny rano, tsy misy lalana ivoahany, hany ka tsy misy adiny iray akory dia efa halohalika ny rano, tonga any an-tratra izy rehefa mirotsaka mandriitra ny 2 ora ny orana ary manomboka tafiditra isan-tokantrano amin’izay avy eo. Tsy misy ny fahagagana ka hoe antsoina ny Bngrc na ny kaominina na ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy dia ho afaka ny rano be. Vokatry ny natao ny zava-misy amin’izao fotoana, vokatry ny tsy fanajana ny drafi-panajariana ny tany sy ny aferafera any anaty famoahana « permis de construire » ka na toerana efa hita izao fa tsy tokony hanorenana fotodrafitrasa aza dia ahitana trano rihana 4 mijoro tampotampoka eo. Ny hoe « Plan d’Urbanisme » fampihatra amin’ny tanàn-dehibe izany moa dia tahaka ny tsy fantatr’Antananarivo renivohitra. Raha ny tokony ho izy dia misy endrika mari-trano tsy maintsy arahana arakaraky ny toerana hanorenana ilay trano, tahaka izany ihany koa ny habeny mba hanome endrika tsara ilay tanàna fa tsy hoe samy manorina izay trano amin’ny endrika itiavana azy sy izay habeny mahamety azy ny tsirairay. Ny mponina ihany koa moa maro no tsy mivaky loha ka lasa fanariam-pako ny tatatra ka na hiasa adiny 8 isan’andro hanala an’ireny aza ny mpiasan’ny voaria dia ho tentsina foana ilay izy satria be loatra ny fako sy izao karazana tavoahangy plastika sy sachet izao. Ireny no mampikatso ny fikorinan’ny rano ary rehefa vanim-potoanan’ny orana dia miakatra an’arabe avy hatrany ireo rano anaty lakan-drano, miampy ny rano miangona etsy sy eroa dia izay ilay hoe dobo ny tanàna. Asa aloha izay paikadin’ny ho ben’ny tanàna manaraka eo, sy ny an’ny fitondram-panjakana foibe hamahana ity olan’ny rano isam-pahavaratra ity, fa ny azo antoka raha mbola mitohy ny fanotorana tany sy ny fanorenana etsy sy eroa, dia mbola ho mafy kokoa noho izao ny hitranga amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana