Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Firosoana amin’ny teknolojia Tsy azo adinoina ny natiora

10/01/2020

Tsy azo tsinontsinoavina intsony ny tontolo iainana, indrindra ireo biby sy zava-maniry eto Afrika, hoy ny fanambarana avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny nomerika Startimes.

Natao izany omaly tany Pekin nandritra ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Wild-Aid sy Startimes hiarovana ny biby eto Afrika. Mahakasika ny jery todika 2019 dia tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra taona 2019 lasa teo no efa nahazo ny fankatoavana hampiaina mivantana ny ekipa nasionalin’ny UEFA taona 2019 hatramin’ny 2020 ny Startimes. Ankoatra ny ligue des nations 2020-2021 dia anisan’izany ny Euro izay hatao ny 12 jona ka hatramin’ny 12 jolay ho avy izao. Taom-pahombiazana ny taona 2019 lasa, hoy ny fanambarana satria mari-pankasitrahana miisa 15 no azon’ny Startimes tamin’ireo firenena miisa 9. Nahazo ny loka tsara indrindra tamin’ny firenena 3 izy ireo ka anisan’izany i Kenya i Ouganda ary Ghana. Eo amin’ny sehatra teknolojia dia efa misy ny application Startimes ON izay nomen’ny DIAA Award of Excellence ny laharana voalohany tamin’ny taon-dasa.  Nanambara ny filoha lefitry groupe Startimes Luis Lu tany Pekin omaly fa ny antom-pisian’io fahitlavitra nomerika io dia ny hampifandraisana lalina an’i Afrika sy Sina amin’ny lafiny maro. Amin’izao fotoana izao dia misehatra amin’ny fiarovana ny biby sy ny natiora eo amin’ny firenena afrikanina ny startimes satria tsy ampy fotsiny, hoy izy ny firosoana amin’ny teknolojia avo lenta raha tsy hiaro ny tontolo iainana.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana