Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsy fandriampahalemana Nitazona basy sady nandrahona manamboninahitra ilay jiolahy

10/01/2020

Hiakatra fampanoavana ato ho ato ny raharaha, ao anatin’ny famotorana ilay tratra nitana basy tsy ara-dalàna ary nandrahona kapiteny zandary any an-toerana, araka ny resaka manokana tamin’ny lehiben’ny kaompania Betroka.

 

 

 

Karohina ihany koa ireo mpiray tsikombakomba taminy nivarotra nahazoany ilay basy. Basy iray “Calibre 16” vita gasy saron’ny zandary tany amin’io lehilahy io, mitovy tsy misy valaka amin'irony vita vahiny irony fa saingy tsy ara-dalàna ny fisiany sy ny fitazomana io fitaovam-piadiana io. Efa nampiasaina nandrahonana ho faty manamboninahitra iray izay efa nisotro ronono tao Ianabinda andro vitsivitsy lasa izy io.

Teo no niainga ny fanadihadiana fa nanao fitarainana teo anivon'ny Zandarimaria ilay manamboninahitra efa nisotro. Rehefa nahazo alalana ny zandary dia niroso avy hatrany tamin'ny fikarohana ilay nahavanon-doza. Ity farany izay sarona tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ianabinda andro vitsivitsy lasa izay. Mitosaka ny basy tsy ara-dalàna izay mamparefo tanteraka ny fandriampahalemana ary voasoketa amin’izany ny fitondrana. Efa niandry ny fanaterana basy tsy ara-dalàna mialoha ny 26 jona 2019 ihany ny fitondrana izay mijoro sy ny minisitera rehetra voakasika saingy ezaka very maina izany raha tsy misy ny fanamarinana ny basy rehetra sy ny taratasiny.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana