Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Minisiteran’ny serasera Politikan’ny fitsitsiana ny fanesorana mpiasa

10/01/2020

Namaly bontana ny resaka momba ny fihorohoron’ny mpiasa ny fanesorana ny minisiteran’ny serasera.

 

 

Nomboka tamin’iny taona 2019 iny dia niroso tamin’ny fanenana ny isan’ireo ECD ireo ny minisitera araka ny andininy faha-3 amin’ny lalàna 94-0025 natao ny 17 novambra 1994, hoy ny fanazavana.  Ny fifanarahana voavaky, nekena sy voasonian’ireo ECD dia milaza fa « Ny fifanarahana dia azo haato tsy misy fampilazana mialoha rehefa tonga ny daty fifaranan’ny fifanarahana ». Ity fanenana ny isan’ny ECD ity dia natao avy amin’ny vokatry ny fanadihadiana ara-kalitao natao isaky ny mpiasa hijerena ny fifanojoan’ny asa misy amin’ny toetra amam-pahaizan’ny mpiasam-panjakana, ny tsy maha eny amin’ny toeram-piasana matetika ny mpiasa sasany hita nandritra ny fitsirihana natao tampoka, ny politikan’ny fitsitsiana izay nofaritana anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), indrindra ny fitantanana ny fandaniana amin’ny karaman’ny mpiasa. Ho an’ny minisiteran’ny seraserasa sy ny kolontsaina, ny fihoaran’ny isan’ny mpiasa mihoatra amin’ny filana any amin’ireny “Directions” sy “Services” ireny, dia mitarika tsy fisian’ny asa ho azy ireny. 52% be izao ny mpiasa ECD ao, hoy ny fanazavana. Raha 1924 no isan’ny mpiasa, ny 999 no ECD, ny 620 ao amin’ny foibe sy eny amin’ny faritra, ny 379 kosa dia ao anatin’ny tetibola manokan’ireo « organismes rattachés ». Araka izany, 52 ireo fifanarahana ECD tsy nohavaozina intsony tamin’ny taona 2019 ary41 tamin’ity voalohan’ny taona 2020. Hitohy eny anivon’ireo « organismes rattachés » ihany koa io fepetra io. Etsy an-daniny kosa anefa dia nisy ny ECD 90 izay efa niasa ela tato amin’ny minisitera ka nahafeno ny fepetra voalaza etsy ambony ary nampidirina ho Employés Fonctionnaires Assimilés (EFA) tamin’iny taona 2019 iny, hoy hatrany ny fanazavana. Fandroahana ve ny toromariky ny filoha amin’ny fitsitsiana? Ahoana ny minisitera hafa ?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana