Dans la męme rubrique

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

02/03/2020

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Mahavelona. Sady nitsoaka no nitifitra ny jiolahy izay vao avy nanao fanafihana mpandeha tamin'ny taxi-brousse.

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA CASHPOINT

27/02/2020

Mitohy hatrany ny fanafihana cashpoint eto an-drenivohitra.

FANAFIHANA CASHPOINT

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

 

 

 

Vola mitentina roa hetsy ariary no lasan’ireo niaraka tamin’ny entana izay nanintona azy. Naratra ilay ramatoa mpivarotra noho ny daroka izay nanjo azy raha nitetika ny nitsoaka kanefa azon’ireo jiolahy hatrany. Ambohijanaka dia efa ela no faritra mena ary efa mailo ny olona ka mihidy aloha ny tsena. Dia amin’ny alina indray no tafihan’ny jiolahy ao amin’ny toeram-pivarotana izay matetika sady trano fonenana.

NITOMBO ISA NY MATIN’NY ORAM-BE

 Tsy nijanona tamin’ny efatra ny isan’ny olona maty nandritry ny oram-be izay nitranga ny alarobia teo. Mbola nahitana faty iray hafa koa tao anaty honahona tetsy Ankazomanga. Vehivavy 26 taona izy io ary natsingevan’ny rano vao maraina omaly. Ny polisy no nitaingina lakana ary nisintona azy teo an-toerana. Dia inona izany no hitranga eto an-drenivohitra raha toa ka misy rivo-doza mandalo ? Mbola vao ny fiandohan’ny orana fotsiny dia efa izao sahady ny fahavoazana. 

MIFANASA VANGY NY SAMY DEPIOTE

Raikitra ny fifamaliana eo amin'ny samy depiote indrindra fa ireo mpanohitra sy mpomba fitondrana. Kianin'ny solombavambahoka Fidèl Razara Pierre mafy ireo maro an’isa fa tsy ara dalàna ny nandehanan'izy ireo teny Iavoloha niarahaba ny Filoha. Avy hatrany, namaly koa i Lanto Rakotomanga fa efa tena fandaharan’asan’ny depiote ny ho eny fa tsy hoe ny filoha no nanasa. Mifanasa vangy tanteraka.

GARE ROUTIERE MAKIS ANDOHATAPENAKA

Tsy manaiky ny hanakatonana ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka manomboka amin'ny telo ora tolakandro manomboka ny 11janoary izao ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa. Rehefa te-hanao fety ny mpitantana ny toby,Mila mitady toerana malalaka fa tsy ny mpanjifa no atao sorona tahaka izao sy terena ho tonga mialoha ny amin'ny telo ora.

HIATO NY ORANA

Hiato indray aloha ny orana ao anatin’ny andro vitsy, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Eo amin'ny telo andro eo no hijanona kely ny orana eto an- drenivohitra dia mety hiverina indray. Mbola hisy orana kosa any amin'ny faritra avaratra. Mila fanadiovana faobe ny lakandrano izany ao anatin’ny telo andro, raha toa ka tsy mba tiana hihena ireny loza izay nahazo an’Antananarivo tamin’ny alarobia teo ireny.

HORONANTSARY MAMOAFADY

Mizotra tanteraka any amin’ny horonantsary mamoafady ny ataon’ny artista gasy, indrindra ireo tropikaly. Efa miparitaka amin’ny facebook indray izao ary nitarika ny hatezeran’ny minisiteran’ny kolontsaina mihitsy ny sarin’ireo artista roa dia i Guerra Allya sy Lil’Gerve lavalava député. Tena mihevitra ireto artista sasany avy any amin’ny faritra ireto fa malalaka tanteraka amin’izay tiany ankehitriny ny fampitana izay mahafinaritra azy, eny fa na fihetsika mamoafady aza.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana