Dans la mme rubrique

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tsy azo ekena ny fibodoan'ny Frantsay ny Iles Eparses

22/05/2020

Nanao fanambarana teny amin'ny CCI Ivato ny antenimieram-pirenena fa tsy azo ekena ny fihetsiky ny fanjakana Frantsay.

Antenimieram-pirenena Tsy azo ekena ny fibodoan'ny Frantsay ny Iles Eparses

Hamaky ny tohiny...

Patrick Raharimanana “Aparitaho ny fahefana sy ny vola fa aza giazana”

22/05/2020

Ny zava-misy eto Madagasikara, dia tsy maintsy miainga eto Antananarivo avokoa ny zavatra rehetra,

Patrick Raharimanana “Aparitaho ny fahefana sy ny vola fa aza giazana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Ralambozafimbololona Fetra “Ataovy ny fanadihadiana momba ny tosika fameno”

22/05/2020

Raha ny zava-misy eny amin`ny boriborin-tany fahadimy raha ny tatitra sy fitarainana voaray dia tsy tonga any amin` ireo olona tokony tena hiantefahany ny Tosika Fameno raha ny nambaran` ny depiote Ralambozafimbololona Fetra.

Depiote Ralambozafimbololona Fetra “Ataovy ny fanadihadiana momba ny tosika fameno”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Raha serasera aloha dia hainy

27/01/2020

Raha tamin’ireo filoham-pirenena nifandimby teto amin’ny firenena aloha dia i Andry Rajoelina no tena nahay niserasera be indrindra. Izy rahateo moa nitantana orinasa mpanao dokambarotra.

 

Nandritra ny tetezamita (2009-2013), tsy mba nanakona ny fitiavan’ny politikan’ny fisehosehoana ny filohan’ny mpanatanteraka, izany hoe toetra na koa fihetsika manaitra ny maso sy mahatalanjona. Mampatsiahy ny atao hoe « populisme » izay nalaza tany aloha tany tamina firenena maro. Ny « populisme » moa dia paikady politika entina hanaovana fihetsika tsotra fa manan-danja hambaboana ny fon’ny vahoaka saingy mifono hevitra ambadika. Efa toetra faharoa izy io ho an’ity fitondrana ity, lasa fanapahan-kevitra iray hakana fon’ny vahoaka. Raha tsiahivina, nanamarika ny 100 andro tsy azo tsikeraina (100 jours de grâce) tamin’ny volana aprily 2019 ny fanaovana « tam-tam be» ny hetsika ka nasongadina kokoa ireo fizarana vary mora, makety maro samihafa hisarihana ny sain’ny olona. Ny tanjona dia « miasa ny ekipan’ny filoha ». Tsy nisy nipika na iray monja mba ahafahana manasongadina ireo velirano. Ohatra i Toamasina izay atao toa an’i Miami ! Ny fihetsika rehetra dia vita kajy mba hisarihana ny maso. Tsy misy fetra io politikan’ny « tia sehoseho » io. Teo ny fanesorana ny tompon’andraiki-panjakana izay nanaratsy ny endriky ny fitondrana. Ny minisitry ny angovo teo aloha, Vonjy Andriamanga, dia nizaka izany noho ny tsy fahombiazana tamin’ny asa nampandraketina azy kanefa taty aoriana voatendry indray ho talen’ny JIRAMA. Ny politikan’ny « tia sehoseho » koa anefa dia afaka miteraka loza ho an’ny mpitondra. Taorian’ny resaka « panier garni » dia nisedra olana ny fitondrana satria nampiaka-peo avokoa ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana satria tsy nisitraka ny vola 65 000 ariary natokana ho an’ny mpiasam-panjakana. Noho ny serasera tsy nandeha amin’izay laoniny dia saika nivadika zavatra hafa satria mahatsiaro atao ankilabao ireo mpampianatra. Misedra ny atao hoe voinam-pirenena i Madagasikara tao anatin’ny andro maro noho ny vokatry ny andro ratsy. Tonga tany amin’ny toerana toa an’Antanambe nisy ny voina ny filoham-pirenena nanao ny adidiny amin’ny maha raiamandrenin’ny Malagasy azy ny zoma lasa teo. Nahavariana sy nahasarika ny sain’ny Malagasy ny fitafy sy ny fihetsiny tamin’izany. « Toa an’i Tom Cruise, mpilalao sarimihetsika malaza, ny filoha Rajoelina », hoy ny fanehoan-kevitra tamin’ny tambajotran-tseratsera. Raha serasera aloha dia hainy tokoa fa mahavaha ny olana ve izany ?  Rehefa mahita sary toy izany ve ny olona dia hanadino ny fahoriana  hiainana isan’andro sy fitantanana mampiahiahy ? Fandikàna lalàmpanorenana mihitsy no misy eto, hoy ireo loholona. Raha haingana be tahaka ny fihetsiketsehana ataon’ny filoha ny asa rehetra eto, dia handroso vetivety i Madagasikara, hoy ny resaka etsy sy eroa. Sa izany no mahatonga ilay fanovana mpikambana anaty governemanta ? Misy tsy maharaka hafainganam-pandeha ka manala baraka ny mpitondra !

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana