Dans la mme rubrique

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tsy azo ekena ny fibodoan'ny Frantsay ny Iles Eparses

22/05/2020

Nanao fanambarana teny amin'ny CCI Ivato ny antenimieram-pirenena fa tsy azo ekena ny fihetsiky ny fanjakana Frantsay.

Antenimieram-pirenena Tsy azo ekena ny fibodoan'ny Frantsay ny Iles Eparses

Hamaky ny tohiny...

Patrick Raharimanana “Aparitaho ny fahefana sy ny vola fa aza giazana”

22/05/2020

Ny zava-misy eto Madagasikara, dia tsy maintsy miainga eto Antananarivo avokoa ny zavatra rehetra,

Patrick Raharimanana “Aparitaho ny fahefana sy ny vola fa aza giazana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Ralambozafimbololona Fetra “Ataovy ny fanadihadiana momba ny tosika fameno”

22/05/2020

Raha ny zava-misy eny amin`ny boriborin-tany fahadimy raha ny tatitra sy fitarainana voaray dia tsy tonga any amin` ireo olona tokony tena hiantefahany ny Tosika Fameno raha ny nambaran` ny depiote Ralambozafimbololona Fetra.

Depiote Ralambozafimbololona Fetra “Ataovy ny fanadihadiana momba ny tosika fameno”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Famotehana tamin’ny 2009 Tsy tafarina ny toekaren’ny firenena hatreto

27/01/2020

26 janoary 2009 – 26 janoary 2020 ! feno 11 taona omaly ny famotehana sy fandorana ny fananam-pirenena sy ny orinasa Malagasy maro nataon’ny sasany.

 

 

Manan-tantara ary tsy maty intsony ny datin’ny 26 janoary izay tonga hatramin’ny fihanihan-dapa ny 07 febroary 2009. Tsy tambo isaina ny voka-dratsy sy ny takaitra naterak’izany tamin’ny lafiny rehetra. Raha ny teo amin’ny sehatra ara-toekarena dia niantraika mivantana tamin’ny tokantrano Malagasy maro be ny fanapahana ny fifanarahana nisy tamin’ny Vondron’ny orinasa afaka haba AGOA(African Growth and Opportunity Act) izay namela malalaka ny zavatra vokarintsika ho any amin’ny tsena amerikanina. Tsy maintsy averina ny tantara satria noho ny fanonganam-panjakana nisy tamin’izany dia notapahana ny fifanarahana. Maro be ny very asa, tsy vitsy ireo vehivavy Malagasy nanomboka nivaro-tena na dia tsy nieritreritra mihitsy ny ho tonga tamin’izany aza ny fitondran-tenany sy ny fiainana. Nirohotra ny tanora lasa nivangabao, namaky trano sy nangalatra ary nirona tamin’ny fandraisana ny zava-mahadomelina.  Raha mandray kaonty ambany dia tombanana ho 378 miliara Ariary ny fahavoazan’ny orinasa TIKO narahin’ny fahaverezan’asa ho an’ny Malagasy marobe. Ankoatr’io orinasa izay tena voa mafy io dia maro ihany koa ireo nikatona noho ny fandrobana nisy. Hatreto aza moa dia tsy misy ny fijerena manokana ireny orinasa nopotehin’ny sasany ory hava-manana ireny. Ekena fa nisy ny fanaovana fanelanelanana nataon’ny vondrona Afrikanina SADC ary nisy ny vola be nampiasaina tamin’izany saingy tsy nisy akony aty amin’ireo orinasa simba potika. Fatiantoka iray lavaka ary vola be no lasa lavenona noho ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana. Tamin’izany dia efa nipetraka ny fanontaniana hoe mbola firy taona indray vao hiarina ny orinasa sy ny toekarena Malagasy ? Afa-po tokoa ve ireo olona rehetra niara-nisalahy sy nankasitraka ireny fihetsika mamoafady sy tsy fampiseho masoandro nisy tamin’ny fotoan’androny ireny ? Tafavoaka ary nivoatra marina ve ny toekarena ka tena nitombina tokoa ny nampiasana hery nandrodanana fanjakana ? Ny lasa tsy fanadino ary mipetraka ho tantara ho an’ny zanaka faramandimby ny zava-nisy sy ireny fanapotehana natao tamin’ny firenena ireny.

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana