Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Anosibe Miaramila mamo nanambana basy mpivarotra

27/01/2020

Andrasana izay fanampim-baovao sy fanampim-panazavana avy amin’ny mpitondra fanjakana fa raha ny angom-baovao natao omaly dia nanondrana indray ny miaramila mpiambina mpitondra fanjakana ambony eto amin’ny firenena.

 

 

 

 

 

Azo sary ary efa niparitaka tamin’ny facebook ny lehilahy iray, hita mazava fa mamo. Raha ny filazan’ny nanatri-maso dia “adjudant chef” eo anivon’ny Primatiora, ilay lehilahy nanao be fiavy, niditra avy hatrany tao amina trano fivarotana  iray teny Anosibe ka namoaka ny basy poletany sy nanambana ny mpivarotra tao. Tsy mbola fantatra mazava ny antony, fa re fotsiny hoe nisy tsy fifankahazoan-dresaka tao. Fantatra koa fa nisy olona ambony grady noho izy nanatrika ny zava-niseho. Na io farany aza dia tsy nanampy azy fa nanampy ny olona naka « vidéo » ny zava-niseho mba hiparitahan’ny vaovao. Misesy ny fisian’ny fanaparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana rehefa any anaty Bar. Mampanontany tena ny zava-mitranga tahaka izao , izay tsy voalohany fa efa nisy maromaro teo alohany. Tahaka ny maka vatomamy ve ny maka basy any anaty toby sy toeram-piasan’ny mpitandro filaminana eto Madagasikara ? Na handeha hirevy any anaty “Bar” aza izany dia mahazo mitondra basy ve ? Milaza fa manatsara sy manadio ny mpitandro filaminana ireo tompon’andraikitra be galona, kanefa toa misy foana ny fihoaram-pefy. Ny trangan-javatra toy izao no mahatonga ny olom-pirenena tsy mahatoky intsony ny mpitandro filaminana ka mampirongatra ny fanapahan-kevitra mitondra mankany amin’ny fitsaram-bahoaka.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana