Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mahery vaika ny dahalo ao miandrivazo Miaramila roa voatifitra, maty ny iray

27/01/2020

Dahalo efa mpiady sy matianina amin'ny fitanana basy no nitifitra ireo miaramila roalahin'ny Tafika Malagasy ka maty tsy tra-drano ny iray, izay nitranga tany amin'ny faritra Mindrivazo, mialohan'ny faran'ny herinandro teo.

 

 

Voatifitra teo aminy sandriny havia sy tamin'ny tratra ny akaikin'ny fony kosa ilay naratra ka mbola tsaboina tanteraka. Efa mpiangaly amin'ny fitanana basy matoa mikendry ny fo toy izao ireo jiolahy. Dahalo iray izay nitifitra ireo kosa no maty voatifitry ny mpitandro naman'ireto lasibatra tao anatin'ny fifanjevoana raha ny fampitam-baovao azo avy amin'ny Jeneraly Jocelyn Rakotoson izay tomponandraikitra voalohany amin'ny hery Vonjy taitra manerana ny Nosy. Araka ny tafa manokana nifanaovana tamin'ity manamboninahitra ambonin'ny Tafika Malagasy sy ny Adjudant François izay mpiandraikitra lefitra ny serasera eo anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena dia mahery vaika ireo dahalo ao Miandrivazo, raha voafehy tanteraka ny tany Betroka. Anisan'ny antony mampahazo vahana hatrany ny asan-jiolahy ao an-toerana ny fifamezivezen'ny omby halatra avy any Bongolava, Menabe, Amoron'i Mania sy Matsiatra Ambony ka lasa mifanafika mamaly faty ireo dahalo isam-paritra. Ireo rehetra ireo koa anefa samy mitily sy manao haza lambo ny mpitandro filaminana. Mitaky vondron-kery mahery vaika izay iarahana amin'ny manampahefana any an-toerana ary ny fitsarana izany, indrindra ny ady amin'ny dahalo ambony latabatra.

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana