Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifampiarahaban'ny tafika Nahavoly zanakazo 1000 ny hery vonjy taitra

27/01/2020

"Raha ny isanay tonga eto Imerintsiatosika dia mahatratra 300 olona, ny ankizy tsy isaina amin'izany. Ka raha nahavita telo avy farafahakeliny dia efa 1 000 fototra eo ho eo no novolena",

 hoy ny Jeneraly Jocelyn Rakotoson, lehiben'ny miaramila Hery Vonjy Taitra. Efa nahazo tso-drano avy amin'ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy moa izy ireo raha nialoha ireto voalohany amin'izao fambolen-kazo izao. Manohy ny ezaky ny fitondrana ho fanamaitsoana an'i Madagasikara, araka ny fanombohana izay notarihin'ny filohan'ny Repoblika Andry Nirina Rajoelina, ny 19 janoary teo moa izy ireo.

Tany Imerintsiatosika tao amin'ny rezimantan'ny Tafondro na ny RAL izay toby Miaramila ihany no notanterahina ny fambolen-kazo. Avy amin'ny eo an-toerana ireo zanaka kininina oliva izay nambolena ny sabotsy teo. Taorian'ny fambolen-kazo dia niroso tamin'ny tatitra samihafa ny mpiandraikitra lefitra ka nasongadiny tamin'izany fa nanampy ny asan'ny miaramila ireo fitaovana nomen'ny fitondrana foibe. Niroso tamin'ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izy ireo avy eo. Nisongadina nandritra ny lanonana ny fiarahabana ny manamboninahitry ny Tafika nasandratra ho Jeneraly ka anisan'izany ity Lehiben'ny Hery Vonjy taitra ity. Nanolotra loko handokoana ny biraon'ny RAL (Régiment d'Artillerie Lourde) izy ireo. Voalazan'ny lehiben'ny Tafondro teo an-toerana, ny Kolonely Jean Désiré Vahinisoa Rafaralahy fa afaka mamatsy zanakazo maimaimpoana hatrany izy ireo.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana