Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

02/06/2020

Fotoana nilatsahan’ny fanahy masina ny andron’ny pantekoty, saingy hafa mihitsy ny fihetsika sy firesaka nasehon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Maka Alphonse “Ilaina ny fanoherana saingy…”

30/01/2020

“Ilain`ny firenena demokratika ny fisian`ny fanoherana. Ny lalàmpanorenana mihitsy no mitaky izany. Voalaza fa ny lehiben`ny mpanohitra no misahana ny filoha lefitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena”,

 

 

 

 hoy i Maka Alphonse, filohan`ny komitin`ny Fampihavanam-pirenena (CFM).  Ny fanoherana dia fomba iray hoentina amin`ny fitantanan-draharaham-panjakana hisian`ny mangarahara sy fanjakana tsara tantana. Hita, hoy izy fa mbola marefo ara-politika i Madagasikara. Sambany mba nisy ny fifandimbiasam-pahefana tamin`ny fomba demokratika ka mila hatsaraina ny dingana vita amin`ny demokrasia. Ilaina ny arofanina izay misy endri-pitantanana, indrindra amin`izao. Nilaza kosa izy fa niha nahazo vahana ny fanoherana mifono fankahalana sy fikatsahana tombontsoa manokana ho an`ny vondron`olona sy antoko. Fomba fanao politika miendrika fahalemena izany sady tsy mitondra any amin`ny fampandrosoana velively, hoy hatrany ny fanazavana. Nanatanteraka atrikasa  ho fampizarana traikefa  amin’ny fampanjakana ny soatoavina Malagasy ny CFLM na ny filankevitry ny fampiavanana Malagasy. « Fiarahana mametraka ny soatoavina  Malagasy  ho fanoitra enti-mitantana amin’ny fampandrosoana ifotony » no lohahevitra nentina tamin’izany.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana