Dans la męme rubrique

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

02/06/2020

Ny 17 mey tamin’ny kabarin’ny Filoham-pirenena no efa tsy nisy resaka na fehezanteny iray monja aza ny vahaolana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahasahiranam-bahoaka eo anatrehan’ny hamehana. Tsy mbola nahitana resaka io ny alahady teo.

Andry Rajoelina Nanadino tanteraka ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

02/06/2020

Rehefa migadona ny 01 jona dia fotoana hananganana sainam-pirenena satria manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena..

Fananganan-tsaina Miha vitsy hatrany…

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

02/06/2020

Fotoana nilatsahan’ny fanahy masina ny andron’ny pantekoty, saingy hafa mihitsy ny fihetsika sy firesaka nasehon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Andry Rajoelina Nandany fotoana nanenjika an-dRavalomanana

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

29/05/2020

Nijery ifotony ny fanamboarana eny amin’ny Rova i Marc Ravalomanana omaly maraina ary nanao fandaharana manokana ny hariva.

Marc Ravalomanana “Be loatra ny tsy mety sy ny alahelom-bahoaka…”

Hamaky ny tohiny...

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

29/05/2020

Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.

Riribe “Ady angamba no tadiavin’ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

29/05/2020

Efa fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ary efa nifampiresaha nivantana tamin'ireo Tangalamena sy Olobe taty an-toerana,

Vatovavy Fitovinany Hafanafana ny fiandrasana ny fizaram-paritra

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

29/05/2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Governemanta Minisitra 6 nesorina, 10 olom-baovao

30/01/2020

Tontosa omaly teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha ny fanovana governemanta.

 

 

 

Nambaran’ny Filoha Rajoelina, fa nomena vahana ny fifandanjana isam-paritra sy ny miralenta, 40% na 8 ny minisitra vehivavy. Tanora latsaky ny 40 taona ny ankamaroany. 22 ny minisitera miampy minisitra lefitra iray sy sekreteram-panjakana iray. Naverina ary hapetraka ho minisitera iray ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana.  Najoro ny minisitra lefitra miantsoroka ny fananganana tanàna vaovao. Noho izany dia miisa 24 ny governemanta hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ka miisa 10 ireo endrika vaovao, izay saika teknisianina sy manampahaizana ambony tanora vao erotrerony ny ankamaroany. Tsy tafaverina intsony kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha Atoa Rafanomezantsoa Roger, Fitsarana Atoa Jacques Randrianasolo,  Fanabeazana Rtoa Volahaingo Marie thérèse, Fampianarana ambony Blanche Richard, Tontolo iainana Atoa Georget Alexandre ary ny Fahasalamana Pr Julio Rakotonirina.

Ireo tafaverina amin’ny toerany

Praiminisitra

Ntsay Christian

Fiarovam-pirenena

Rakotonirina Léon Richard

Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna

Razafimahefa Tianarivelo

Toekarena sy vola

Richard Randriamandrato

Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy  

Andrianainarivelo Hajo

 Angovo sy ny Akoranafo

Ramarolahy Christian

Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny Toetr’andro

Randriamandranto Joël

Harena ankibon’ny tany

Ravokatra Fidiniavo 

Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy

Naharimamy Irmah 

Indostria sy ny varotra

Rakotomalala Lantosoa 

Asam-panjakàna sy ny Lalàna Sôsialy

Ramampy Gisèle 

Tanora sy ny fanatanjahan-tena

Tinoka Roberto Michael 

Serasera sy ny Kolotsaina

Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana

Fambolena sy ny fiompiana

Ranarivelo Fanomezantsoa

Zandarimariam-pirenena

Ravalomanana Richard

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Ireo mpikambana vaovao

Raharaham-bahiny

 

Dr Tehindrazanarivelo Jacoba Liva

 

Fitsarana

Jhonny Richard Andriamahefarivo

Filaminam-bahoaka

Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys

Fanabeazam-pirenena

Andriamanana Josoa Sambatra 

Fampianarana ambony

Assomacou Elia Béatrice

Tontolo iainana sy ny fampandrosoana

Raharinirina Baomiavotse Vahinala

Paositra sy ny fifandraisan-davitra

Ramaherijaona Andriamanohisoa 

Rano sy fahadiovana ary ny fidiovana

Rakotovelomanantsoa Voahary 

Fahasalamam-bahoaka

Ahmad Ahmad

Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram- ponenana

Zasy Angelo 

 

Takiana ny vokatra haingana miantraika amin’ny vahoaka

Nanokatra varavarana sy nanao antso avo ho an’ny zanaky ny firenena na eto an-toerana na avy any ivelany manana finiavana hoenti-manompo ny firenena ny fitondram-panjakana, hoy i Andry Rajoelina omaly. Hita taratra na ny avy any avaratra atsimo, andrefana, antsinanana, afovoantany, eny fa na ny avy any ampitan-dranomasina aza, hoy ny filoham-pirenena. Maro no nanana andraikitra ambony tany ampita fa ankehitriny dia nantsoin’ny firenena. Ampy izay ary tsy izao intsony ny hoe mila mahafantatra olona na mandoa vola vao tonga minisitra, hoy izy. Mila haingam-piasa, mitondra vokatra mivantana, azo refesina, ary miantefa mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, fahaiza-mitantana fahaiza-miasa, lavitry ny koliloly,... hoy ny filoha. Taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy io firafitry ny governemanta io. Miandry antsika ny Malagasy ary miandrandra fanovana hita amin’ny fiainany, hoy izy, izay nirary soa ireo mpikamban’ny governemanta.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana