Dans la mme rubrique

Minisitry ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana « Betsaka ny asa natao ary maro no mbola miandry »

02/06/2020

Mbola maro be ireo andraikitra miandry eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana (MICA) na dia efa nisy aza ny natomboka hoy ny

Minisitry ny Indostria, Varotra ary ny Asa tanana « Betsaka ny asa natao ary maro no mbola miandry »

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Vahaolana matotra sy haingana no ilaina

02/06/2020

Nampanantena ny Filoham-pirenena fa handray ireo sehatra tsy miankina sy ireo sehatra hafa mifaningotra amin’ny toekarena.

Sehatra tsy miankina Vahaolana matotra sy haingana no ilaina

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Hisy drafi-panampiana avy amin` ny fanjakana

02/06/2020

Mitentina 19 miliara ariary ny fatiantoka ho an` ny Fanjakana Malagasy eo amin` ny fandoavan-ketra tokony alohan` ireo orinasa.

Sehatra tsy miankina Hisy drafi-panampiana avy amin` ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

29/05/2020

« Tsy hidina ny vidin-tsolika na dia misy fihenana eo anivn` ny tsena iraisam-pirenena » hoy ny praiminisitra Ntsay Christian omaly.

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

Hamaky ny tohiny...

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

29/05/2020

Tafiakatra 518 tapitrisa dolara no azo avy amin’ny mpamatsy vola, izay tokony hangarahara ary mila jerena ny toekarena sy ny sosialy satria fantatry ny vahoaka fa misy vola ao.

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

Hamaky ny tohiny...

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

29/05/2020

Ahiana ho taona tsy mahavokatra ho an'ny fizahantany mihitsy ity taona ity ho an'ny Nosy Sainte Marie.

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

28/05/2020

Araka ny naoty navaokan` ny ministeran` ny varotra dia omaly no daty hanokafana tsena Lavanila any Anjiabe Kaominina Nosy-Be.

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Tolotra Hetraphone Hanamorana ny fampidiran-ketra

30/01/2020

Notontosaina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitatanam-bola Antaninarenina ny

 

 

 

fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ny Tahirim-bolam-panjakana (DGT) ary ny eo anivon’ny fanatanterahana ny tetikasa PIFM (Projet d’Inclusion Finançière de Madagascar) miaraka tamin’ireo orinasa 3 misehatra amin’ny fikirafirana vola anaty finday (Airtel Money, Orange Money ary Mvola).  Ny Hetraphone izay fomba fandoavana hetra vaovao amin’ny alalan’ny finday dia entina hampiroboroboana ny fampidiran-ketra sy ny volam-panjakana hanatsarana ny toekarena. Efa nanomboka tamin’ny taona 2017 no efa nanandramana ny tetikasa teny amin’ny Ivonketra Alasora sy teny amin’ny firaisana fahatelo. Fantatra fa tsy ampy ny fampahafantarana ny olona ireo tombony amin’ny fanambaran-ketra amin’ny finday ary tsy hainy izany.  Ny fametrahana ity Hetraphone ity dia tsy maintsy harahana fampianarana ary hisy mihitsy ny rindra-kajy amin’ny finday na ny application manokana handoavan’ireo olon-tsotra na orinasa ny hetrany.  Sady afaka manao fanambarana ara-ketra izy ireo no afaka mandoa hetra amin’ny fomba mangarahara lavitry ny kolikoly, hoy ny Tale heneralin’ny hetra, Atoa Germain. Tanjona ny hanamorana ny fandoavan-ketra ary tsy hampivezivezy ny mpanjifa ka samy hahazo tombony ny rehetra ary hampiakatra haingana amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany. Hialana ny  fandaniam-potoana amin’ireo taratasy marobe amin’ny fanambaran-ketra ary mora sy mangarahara ny fandoavan-ketra indrindra ho an’ireo orinasa. Tsiahivina fa ny 80%-n’ny fampidiran-ketra dia avy amin’ireo orinasa lehibe ireo ka notsorina amin’ity fomba vaovao ity ny fandoavan-ketra ataon’izy ireo. Tombony ihany koa ny hiarovana tsara ny kaonty ary hahatsara ny tarehimarika azo sy ny fanamarinana ny fandoavan-ketra, hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny hetra. Fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena no nahafahana nametraka ny Hetraphone ary izy ireo mihitsy no mamatsy vola tamin’izany. Efa niditra tamin’ny vovonana hanaovana fanambarana sy fandoavan-ketra ampitain-davitra (télépaiement) ny ankamaroan’ireo banky hanamorana ny fampidiran-ketra. Afaka miditra amin’ny tranokalan-tseraseran’ny foiben’ny fitantanana ankapoben’ny hetra ihany koa ny rehetra mandoa ny hetra amin’ny fotoana fohy amin’ny alalan’ny e-Hetra-payment. Izao indray izany dia afaka manao fanambarana sy mandoa hetra amin’ny fikirakirana ny vola anaty finday ny mpandoa hetra rehetra.

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana