Dans la mÍme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany ‚ÄúNa ianao te ho velona, na ianao te ho faty‚ÄĚ

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany ‚ÄúNa ianao te ho velona, na ianao te ho faty‚ÄĚ

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo ‚ÄúNy ady gasy no nahavonjy antsika‚ÄĚ

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo ‚ÄúNy ady gasy no nahavonjy antsika‚ÄĚ

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fampiakarana ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly, ny fandoavana ara-potoana ny vatsim-pianarana sy karama ho an’ny mpianatra sy mpampianatra eny amin’ny oniversite. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fomba fiasa sy fandraisana marary eny amin’ny hopitaly ary ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana, izay fitsarana tsy mitanila sy lavitry ny kolikoly.

 

FANDREBIREBENA SAIM-BAHOAKA

 

Tsy nisy akory ny hoe avy amin'ny antoko hafa ankoatra ny IRD no niditra tao amin'ilay governemanta. Karazana fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny no natao satria tsy noraisiny akory izay lazainy fa tsy mitovy fironana politika aminy. Tsy hiova mihitsy ny politika eto Madagasikara raha nojerena tamin’iny zava-niseho omaly iny. Ireo izay efa mampiditra an-kizo ny filoha moa amin’ny serasera diso isaky ny mandeha izay ataony dia mbola notazominy teo hatrany.

NOTSENAIN’NY DELESTAZY NY GOVERNEMANTA VAOVAO

 

Vao vita ny fanendrena governemanta dia tapaka ny herinaratra manerana ny faritra maro teto an-drenivohitra. Asa na delestazy na inona indray no antony na koa tsy fifalian'ireo mpiasan'ny Jirama. Hatreto mantsy, olona tsy mba teknisianina amin'ity lafiny ity hatrany no voatendry ho eo amin’ny toeran’ny minisitera mpiahy ity orinasam-panjakana ity. Na izany aza, mbola tokony ho henatra ny haizina ateraky ny fahatapahan’ny herinaratra eto amintsika, sehatra izay tao anaty vina mipetrapetraka tanteraka nandritry ny fampielezan-kevitra.

VOASOROKA NY FITSARAM-BAHOAKA

 

Noteren’ny olona hitifitra ilay dahalo izay nosamborin’ny fokonolona ny polisy tany Mahabo, tanàna iray alohan’ny hidirana an’i Morondava. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo mpitandro ny filaminana na dia nisy aza ny hatezeram-bahoaka. Voatery niditra an-tsehatra ny sefo distrika sy ny olobe tao an-tanàna niresaka tamin’ny vahoaka ary nanala ireo mpitandro ny filaminana teo amin’ilay toerana raha tsy izany dia fitsaram-bahoaka faobe no nitranga teo.

MPITSARA NANAO KOLIKOLY

 

Tsy navoakan’ny minisitry ny fitsarana mihitsy ireo fanomezan-dalana hahafahana manenjika mpitsara roa izay voasaringotra tamin’ny kolikoly. Hatreto dia izay no azo heverina fa antony nanoloana azy tao anatin’ny governemanta Ntsay Christian. Efa fanta-poko fanta-pirenena anefa ny dosie maloto nataon’ireo mpitsara ireo ary ny tsy fanomezana alalana ho an’ny mpanao fanadihadiana mba hanokatra ny dosie dia endrika iray fiarovana olona maloto. Mety ho izay no tomban’ny mahafantatra ny raharaha fa antony nanoloana ity minisitra ity.


 

 

FANAFIHANA CASH POINT TENY IVANDRY

 

 Voarakitra an-tsary tanteraka ny fanafihana cashpoint izay nitranga tetsy Ivandry. Roa lahy izay mitam-basy no tompon’antoka tamin’izany ary vola izay mitentina enina tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy ireo. Betsaka izay sary azo tamin’ny vidéosurveillance izay kanefa toa tsy mitondra mankaiza izany satria tsy hita izay fomba hikirakiràna azy. Any ivelany dia vao potserina fotsiny ny bokotra dia efa fantatra ny momba ny olon-dratsy raha vao eo anànana fotsiny ny sariny.

TOVOLAHY NANGALATRA MOTO

 

 Eo imason’ny mpitandro ny filaminana izay milahatra na « police militaire » no nangalatra moto ilay tovolahy kanefa dia tsy fantatr’ireo miaramila mihitsy. Azo tamin’ny raki-tsary izany ary dia niomehy ny olona, tsy noho ny fahasahian’ilay mpangalatra akory, fa kosa noho ny tsy mba fisian’ny fanahian’ireo mpitandro ny filaminana mihitsy. Nefa dia ny hisambotra ny olon-dratsy na farafaharatsiny mba hampatahotra azy ireo no tena tanjon’ny fisafoana izay hataon’ireo.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana