Dans la mme rubrique

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

27/05/2020

Mampahatsiaro ny fanambaran’ny akademian’ny fitsaboana taorian’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fisian’ny tambavy CVO na Covid organics ny zava-mitranga ihany koa amin’ny ady hevitra tsy mety vita momban’ny

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Biraom-panjakana sy minisitera Maninona moa raha apetraka ivelan’Ántananarivo ?

13/02/2020

Nitondra ny heviny sy nanolotra vahaolana manoloana ny olana mianjady amin’Antananarivo Renivohitra ny mpanolotsaina

 

 Monisipaly avy amin’ny Komba Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahiana. Olona 500 000 no tokony ho zakan’ny kaominina Antananarivo kanefa mahatratra hatrany amin’ny 4 tapitrisa no mifamezivezy andavanandro. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanavao an’i Mahamasina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, izay mazava ho azy fa handraisana hetsika maro, hisy birao vaovao, foara, baolina kitra,.. Tsy hiresaka sy hisikotra ny famaritana ny fitsijaram-pahefana, fa mbola afaka nanao kianja vaovao teny Ambohimalaza, Itaosy na Mahajanga ny fanjakana mba hisarihana ireo olona ivelan'Antananarivo sy ho fampandrosoana ny faritra hafa rahateo, hoy izy ireo. Ny vahaolana dia ny fanaisorana ny fahatsentsenan’ny olona eto Antananarivo, manaraka ny maodely Iavoloha, izany hoe hafindra ivelan’Antananarivo ireo minisitera. Tokony havelan’ny Prezidansa halalaka Ambohitsorohitra, Hafindra any amin’ny Résidence présidentielle any Mantasoa ny HCC, halefa eny Maibahoaka ny minisiteran’ny serasera,… Ao anatin’ny herintaona ny CUA, dia manaisotra andrim-panjakana 4 farafahakeliny. Raha io 77 tapitrisa euros io hanamboarana ny kianja io, dia azontsika natao ny namorona trano ekolojia fito (7) ivelan'Antananarivo, hoy izy ireo. Ny hevitra hoe Ambohitrimanjaka dia tsy maharitra satria Ambohitrimanjaka na koa hoe Tana Masoandro, dia hanana olana mitovy amin'ny CUA ihany. Ny fanitarana na famindrana ireo andrim-panjakana dia azo atao manerana ny faritanin’Antananarivo ary nahoana moa no tsy Madagasikara manontolo ? Azo atao ny maniry an’Antananarivo ho tahaka an’i Shangaï na New York amin’ny fanavaozana ny tanàna. Akisaka tsikelikely, toy ny tranobe mijoalajoala any Arivonimamo, Moramanga,…

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana