Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

28/05/2020

“Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 mey 2020 no fotoanantsika”, hoy ny hafatra nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Marc Ravalomanana Hanao fanambarana anio

Hamaky ny tohiny...

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

28/05/2020

Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny hijoroana mpanohitra ara-pomba demokratika dia efa voalazan’ny lalam-panorenana. Efa nisy dingana goavana nametrahana azy io ny taona 2011, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, nanazava ny fahitany ny mampitarazoka ny raharaha ankehitriny.

Sata mifehy ny mpanohitra “Tokony hiezaka ny parlemanta roa tonta”

Hamaky ny tohiny...

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

28/05/2020

Ny mpanao gazety mampita sy mitatitra ny vaovaom-panjakana indray no mahazo tsiny, kanefa ny fitondram-panjakana no misavoritaka tanteraka ny zavatra ambany.

Zavatra ambaran’ny mpitondra Misavoritaka ambony ambany

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

28/05/2020

Ny alakamisy 28 may 2020 no handaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2019 tamin’ny 28 novambra 2019 mikasika ny fambolena ara-biolojika eto Madagasikara eny amin’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hodinihina ny tolo-dalàna momba ny toaka gasy

Hamaky ny tohiny...

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

28/05/2020

Maromaro ihany ny lisitr'ireo zavatra mbola handrasana amin'ny asa tokony ho tanterahan'ny governamanta fahefana mpanatanteraka tarihan'ny Praiministra

Distrikan'i Fandriana Asa maro no mbola handrasana amin'ny governemanta

Hamaky ny tohiny...

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

28/05/2020

Maromaro ihany ireo fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tompon'andraikitry ny fandaharana manokana ao amin'ny haino aman-jery tsy miankina iray tamin'Atoa Alban Rakotoarisoa

Alban Rakotoarisoa "Bàbà" Aok’izay ny fiheboeboana na "werawera"

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

28/05/2020

Nisy omaly 27 mey ny tatitry ny filankevitry ny minisitra nentina nanamafisana ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana,

Filankevitry ny Minisitra Tompon’andraikitra ambony 44 notendrena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Madagasikara Potehin’ireo mpanao politika

13/02/2020

Taorian’ny vanim-potoana nahafaty an’ny kolonely Ratsimandrava dia efa nieritreritra ny rehetra fa aorian’ny ra mandriaka fanaovana sorona ny zana-bahoaka taorian’ny krizy 1972 dia angamba ho vita hatreo ny fanaovana sorona sy fitiavan-tena sy sezan’ny mpanao politika.

 

Tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka no imasoana tamin’izany. Nisy moa ny fitsarana ireo olona izay tafiditra tao anatin’iny raharaha iny. Nalefa nivantana tamin’ny radiom-pirenena ny fihainoana ireo olona voarohirohy tamin’ny famonoana filoham-pirenena. Ny antony dia ny mangarahara amin’ny resaka politika tamin’izany mba tsy hiverenany taty aoriana. Nalefa ampahibemaso mihitsy ny tantara. Maizina moa ny lanitra satria filoham-pirenena tsy ampy herinandro ny fitantanany dia maty novonoina. Taoriana kelin’izay, nisy ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka nivoaka tamin’ny fitantanana ara-miaramila. Firy sy firy anefa ny krizy nifanesy hatraty amin’ny taona 2020 ? I Madagasikara dia anisan’ireo firenena dimy mahantra maneran-tany. Raha jerena ny momba an’i Soudan, izay anisan’ireo mahantra ihany koa, dia ny hain-tany no tsy hahafahan’ny firenena mivoatra. Eo ihany koa ny ady amin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy. I Madagasikara  anefa nosy, milamina sady afaka mamokatra tsara. Amin’izao tsy misy raha manjary. Ny tsy fisian’ny fifanolorana fitondram-panjakana tamin’ny fomba demokratika sy ny fisian’ny krizy nifandimby no mampahantra ny Malagasy. Tokony hahay maka lesona ny mpitondra amin’izao.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana