Dans la męme rubrique

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...

Resy ny valalabemandry

01/04/2020

Roa herinandro latsaka kely izay no nihatra teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana.

Resy ny valalabemandry

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mila mibebaka ?

14/02/2020

« Rehefa mety ny atao, dia ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao,

 dia ny ranon’apango aza misy voay », hoy ny ohabolan-drazantsika. Dia asa re fa toa izay no fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Hita ho mampiseho ezaka ihany ny fitondram-panjakana, te hanao zavatra tsara, te hikosoka tantara eo anatrehan’ny zavatra nanaratsy endrika azy,… Toa miiba hatrany anefa ny vokatra amin’ny ankapobeny, ary miseho hatrany ireo toe-javatra toa manaratsy endrika ny mpitondra. Hatramin’ny kabarin’ny filoha aza, toa tsy nandeha amin’izay laoniny ary lasa adihevitra be satria toa lasa ozona ho an’ny firenena. Zo fototra, hono, ny tsy fanjarian-tsakafo, raha adika amin’ny fiteny Malagasy ilay nambara. Izay tokoa ilay hoe ny teny diso tsy mba kabary. Tsy vao izao anefa no nisy zavatra nambara na nampanantenaina niteraka adihevitra satria maro ny zavatra nifanipaka hoe: hafa no lazaina anio, ary mety ny mifanohitra amin’iny no miseho rahampitso. Mety ho tsy fanahy iniana, fa baikoan’ny fihetseham-po, indrindra moa fa rehefa vory vahoaka iny. Tsy kilalaon-jaza anefa ny fitantanana ny firenena. Ireny fahadisoana kely ireny mitambatra no mety hanome vahana ny tsy mitovy hevitra. Tsy fitia te hanakiana, fa mahatonga ny maro hieritreritra sy hiteny hoe: lojika marina raha nitady “cerveaux”. Te hanao zavatra be, te handeha mafy amin’ny heverina fa fampandrosoana, te hampiseho endrika tsara,… kanefa izay atao toa maneno sahona. Asa inona loatra re no antony? Mila mandini-tena ihany, mila fanentren-tena,… Eny mila fibebahana mihitsy aza angamba! Tsy izay miteny dia sokajiana ho fahavalo avokoa, fa mila mifampihaino. Firenena iaraha-manana ity, fa ny fomba fijery hoenti-mampandroso azy no tsy mitovy. Fohy izay herintaona lasa izay, saingy mety afaka hitsarana ihany ny vary hamokatra sy ny hanakofa. Akoho tsy naneno ohatran’izay mety efa lanin’ny kary, ka mila mandinika amin’ny tokony hatao na hanintsiana ny dia ihany eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenan’ny olom-pirenena.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana