Dans la mme rubrique

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

27/05/2020

Mampahatsiaro ny fanambaran’ny akademian’ny fitsaboana taorian’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fisian’ny tambavy CVO na Covid organics ny zava-mitranga ihany koa amin’ny ady hevitra tsy mety vita momban’ny

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

26/05/2020

Lehilahy miisa 29 avy any Ambatolampy no tratra niditra an-tsokosoko tao Androhibe Antsahadinta omaly.

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Resaka fitantanana tsy mazava ao amin’ny Unesco Tsy mitombina, hoy ny sekretera jeneraly

14/02/2020

Tonga nanotrona ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Onjampeo tetsy amin’ny Radiom-pirenena etsy Anosy

omaly ny solontena avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina eto amintsika na Unesco notarihin’ny sekretera jeneraly misahana izany eto Madagasikara, Manda Ravelojaona. Ny hafatra, hoy izy, dia araka ny lohahevitra hoe « Samihafa, samy onjampeo, iray ihany isika. ». Izany hoe ny antom-pisian’ny onjampeo dia ahafahana mitondra lohahevitra marolafy ho an’ny fampandrosoana. Samy manana ny firehan-keviny sy hevitra tiany hampitaina kanefa dia isika rehetra samy mahatsapa izay maha iray izay. Nasongadina tamin’ny radio miara-manonja niarahan’ireo radio samihafa eto amin’ny firenena izany anio (TTF : Omaly), hoy hatrany izy. Mikasika ny vaovao izay milaza fa misy fitantanana tsy mazava sy tsindry ara-politika moa eo anivon’ny Unesco eto Madagasikara dia nanazava ity SG ity fa tsy mitombona izany satria eto Madagasikara dia misy ny atao hoe « antenne Unesco » sy « Comnat Unesco ». Tao anatin’ny fitantanako dia nifanarahana fa mba hisian’ny mangarahara dia ao amin’ny kaontin’ny Comnat no apetraka ireo vola ho an’ny mpiara-miombon’antoka. Izany hoe fantatra mazava izay vola miditra ao ary fantatra ihany koa ny ampiasan’ilay mandray azy. Manara-maso izany no anjaranay avy eo. Mpampiditra sy mpamoaka ary mpanara-maso ireo vola izahay fa tsy mpitantam-bola, hoy hatrany izy. Mikasika ilay resaka antoko politika dia mametraka ny maha tekinisianina ny tenako mialohan’ny zavatra rehetra aho, hoy izy, ary tsy fombako izany manao tsindry ara-politika izany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana