Dans la mme rubrique

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

29/05/2020

« Tsy hidina ny vidin-tsolika na dia misy fihenana eo anivn` ny tsena iraisam-pirenena » hoy ny praiminisitra Ntsay Christian omaly.

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

Hamaky ny tohiny...

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

29/05/2020

Tafiakatra 518 tapitrisa dolara no azo avy amin’ny mpamatsy vola, izay tokony hangarahara ary mila jerena ny toekarena sy ny sosialy satria fantatry ny vahoaka fa misy vola ao.

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

Hamaky ny tohiny...

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

29/05/2020

Ahiana ho taona tsy mahavokatra ho an'ny fizahantany mihitsy ity taona ity ho an'ny Nosy Sainte Marie.

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

28/05/2020

Araka ny naoty navaokan` ny ministeran` ny varotra dia omaly no daty hanokafana tsena Lavanila any Anjiabe Kaominina Nosy-Be.

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

25/05/2020

Notsipahan` ny fanjakana ny drafitra fanalefahana ny voka-dratsy nateraky ny aretina COVID-19 amin` ny sehatra tsy miankina, hoy Thierry Rajaona, filohan` ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM).

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

Hamaky ny tohiny...

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

23/05/2020

Noraisin’ny ben’ny tanàna ao Nosy be, Gilbert Vita, omaly, ny solontenan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

Hamaky ny tohiny...

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

23/05/2020

Lehibe ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toekarena manontolo. Ny fihibohana sy ny fikatonan’ireo orinasa dia nampidina haingana ny famokarana ka namotika ny toekarena hoy Atoa Gédéon Rajaonson.

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Banky iraisam-pirenena “Mbola mila ezaka be i Madagasikara”

14/02/2020

Navoaka omaly tao amin’ny foiben’ny Banky Iraisam-pirenena tetsy Anosy ny famelabelarana mahakasika ny fanadihadiana natao niompana tamin’ny zava-misy

 

 

 

marina sy ny vahaolana maika ara-toekarena tokony hilofosan’i Madagasikara. Mivoaka isaky ny 5 taona ary mitondra ny lohateny hoe “Mémorandum économique de Madagascar” ka ny mpahay toekarena eo anivon’ny Banky Manerantany, Natasha Sharma no nanatanteraka sy nanoratra ity boky ity. Tahaka ny efa mahazatra dia matroka hatrany ny tarehimarika ara-toekaren’i Madagasikara ary voasokajy ho anisan’ny firenena tena marefo izy amin’ny lafiny maro. Tamin’izany dia nanome vahaolana izy ireo ary nanambara fa sehatra 4 lehibe no ilaina ezaka maika eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay hita ho mbola mananosarotra be eto Madagasikara araka ny tatitra. Tsy ampy ny orinasa ary vitsy no matanjaka ka ireto farany no mifehy sy manao ampihimamba ny toekarena. Ilàna ezaka be ihany koa ny sehatra famokarana, indrindra ny famokaram-bary. Nisy fotoana ny Malagasy efa mpanondrana vary kanefa amin’izao fotoana izao dia manafatra lavareny ary tokony hojerena haingana ny vahaolana mahakasika izany, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira. Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ny tatitra ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana ny kalitao sy ny harena arak’olona na ny capital humain. Anisan’izany ny sehatra fanabeazana izay mitotongana ary tsy mahalasa lavitra ny toekarena mihitsy hatreto. 97%-n’ny ankizy latsaky ny 10 taona dia tsy mahay mamaky teny ary manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo satria ankizy 1 amin’ny 4 no tsy ampy sakafo. Mazava ho azy anefa fa rehefa tsy ampy ny sakafo dia tsy afaka mivelatra ara-tsaina ary manjaka ny habadoana. Ary ny farany izay tsy ny kely indrindra dia ny tsy maintsy hanatsarana ny lalana rehetra mba ifandraisan’ny Malagasy hampiakarana ny vokatra ary hanatsarana ny sehatra fizahantany. Tsy azo eritreretina mihitsy hoe toerana mamoka-bary be tahaka ny any Alaotra nefa ratsy lalana be.   Nanatrika ity tatitra ity moa ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandrato ary nilaza fa efa ao anatin’ny drafi-pampandrosoana PEM daholo izany rehetra izany saingy mbola eo am-panatanterahana ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana.

Tsirinasolo 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana