Dans la mme rubrique

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

29/05/2020

« Tsy hidina ny vidin-tsolika na dia misy fihenana eo anivn` ny tsena iraisam-pirenena » hoy ny praiminisitra Ntsay Christian omaly.

Vidin-tsolika Tsy hisy fihenana aloha

Hamaky ny tohiny...

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

29/05/2020

Tafiakatra 518 tapitrisa dolara no azo avy amin’ny mpamatsy vola, izay tokony hangarahara ary mila jerena ny toekarena sy ny sosialy satria fantatry ny vahoaka fa misy vola ao.

Sosialy sy toekarena “Avoty ny vahoaka sy ny mpandrahara”

Hamaky ny tohiny...

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

29/05/2020

Ahiana ho taona tsy mahavokatra ho an'ny fizahantany mihitsy ity taona ity ho an'ny Nosy Sainte Marie.

Nosy Sainte Marie Tsy hisy mpizahantany hijery trozona amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

28/05/2020

Araka ny naoty navaokan` ny ministeran` ny varotra dia omaly no daty hanokafana tsena Lavanila any Anjiabe Kaominina Nosy-Be.

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

25/05/2020

Notsipahan` ny fanjakana ny drafitra fanalefahana ny voka-dratsy nateraky ny aretina COVID-19 amin` ny sehatra tsy miankina, hoy Thierry Rajaona, filohan` ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM).

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana

Hamaky ny tohiny...

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

23/05/2020

Noraisin’ny ben’ny tanàna ao Nosy be, Gilbert Vita, omaly, ny solontenan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.

Nosy be Natsaraina ny famatsiana angovo

Hamaky ny tohiny...

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

23/05/2020

Lehibe ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toekarena manontolo. Ny fihibohana sy ny fikatonan’ireo orinasa dia nampidina haingana ny famokarana ka namotika ny toekarena hoy Atoa Gédéon Rajaonson.

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Famokarana herinaratra Hiasa ao Volobe Toamasina mandritra ny 35 taona ny CGHV

14/02/2020

Notanterahana omaly 13 febroary ny fifanaovan-tsonia hividianan’ny orinasa JIRAMA herinaratra amin’ny kaompania CGHV (Compagnie Générale Hydroélectrique de Volobe)

 sy ny rangom-pohy hanomezan’ny fanjakana Malagasy alalana io kaompania io hitrandraka herinaratra avy amin’ny toho-drano ao Volobe, Toamasina, mandritra ny 35 taona. Hatomboka amin’ity taona ity ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Volobe izay hamokatra 120 MW ho an’ny faritra Atsinanana sy ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA). Dingana lehibe amin’ny paikady fanarenana ny orinasa JIRAMA izao tetikasa izao, hoy ny Tale Jeneraly Vonjy Andriamanga. Tanjona hoy izy ny hampidinana ny saran’ny famokarana. Manodidina ny 25 cents dolara no hividianan’ny JIRAMA ny KWH amin’izao fotoana izao ary 7 cents dolara kosa izany amin’ity tetikasa Volobe ity. Mialohan’ ny faran’ny taona 2023 no heverina hamokatra voalohany ity tobim-pampokarana herinaratra avy amin’ny toho-drano ao Volobe ity. Tokan-trano manodidina ny 360 000 no tokantrano hisitraka izany ary miisa 2 tapitrisa ireo olona ho voakasiky ny tetikasa. Ankoatr’izay dia hiteraka asa maherin’ny 400 ny fanatanterahana io tetikasa io. Mikasika ny fisian’ireo olona misoloky milaza ho mpiasan’ny JIRAMA ary mitsirika kaontera any an-tokantrano moa dia nanamafy ny teo anivon’ity orinasa iray ity fa tokony ho mailo ny rehetra ary hitaky ny “badge” an’ireny olona sy ny “ordre de mission”-ny raha sanatria ka misy izany. Tetsy andaniny dia nilaza ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Christian Ramarolahy fa tsy maintsy alefa haingana daholo ireo tetikasa Hydro-electrique  amin’izao fotoana izao satria saika efa ela daholo ny fanadihadiana mahakasika azy ireny ary fotoana izao hirosoana hanatanterahana ny asa.

 

Pati sy Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana